- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFisolokiana avo lenta : Nosamborina ny mpiara-miasa iray amin’i Jo Willy

Fisolokiana avo lenta : Nosamborina ny mpiara-miasa iray amin’i Jo Willy

Hatreto dia mbola tsy hita izay misy ilay mpandraharaha iray, namoahan’ny pôlisy taratasy fampikarohana, noho izy voarohirohy amina resaka fisolokiana avo lenta. Na izany aza anefa, dia mitohy hatrany ny fanadihadiana eo anivon’ireo mpitandro filaminana misahana ny raharaha. Fantatra ary izao, fa niroso tamin’ny fikarohana sy fisamborana ireo mpiara-miasa aminy akaiky ihany koa ireo mpitandro filaminana. Ny alarobia lasa teo, dia lehilahy iray mpiara-miasa amin’i Jo Willy R., no nosamborina, teny an-tokantranony teny Faravohitra. Ity olona ity dia voalaza fa mpiasa tao amin’ilay orinasa, isan’ireo mpandray vola avy tamin’ireo mpanjifa ary mpanao sonia ny faktiora tamin’ireny fotoana ireny. Azo heverina araka izany, fa isan’ireo « mpiray tendro » sy mpiray tsikombakomba tanteraka amin’ilay mpandraharaha ny antony nisamborana azy. Anio, raha tsy misy ny fiovana, no fantatra fa hanolarana azy eny anivon’ny Fampanoavana, taorian’ny fakana azy am-bavany nataon’ireo mpanao famotorana. Marihana moa, fa an-jatony mahery any ho any ireo olona lasibatra sy voasolokin’ilay orinasa tamin’ilay hoe: « fitsangantsangana miaraka » mankany ivelany.

nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici