- Publicité -
vendredi, novembre 13, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFisolokiana avo lenta : Tambajotra mpanao sy mpamatsy taratasy hosoka ravan’ny polisy

Fisolokiana avo lenta : Tambajotra mpanao sy mpamatsy taratasy hosoka ravan’ny polisy

Nentin’ireo olon-dratsy hahazoana findramam-bola ireto antontan-taratasy hosoka ireto. Soa fa mailo ilay orinasa ka nametraka fitoriana haingana.

Dimy mianadahy izy ireo no voasambotra teto an-drenivohitra araka ny fampahafantarana nataon’ny polisy. Izy ireo izay ahiahiana ho anatin’ny tambajotra mpanao hosoka taratasim-panjakana. Araka ny fantatra, ny voalohandohan’ny volana oktobra lasa teo dia nisy mpivady nametraka taratasy fampindramam-bola tamin’ny orinasa iray. Fenon’izy ireo avokoa ny fepetra sy antontan-taratasy nilaina tamin’izany. Saingy nisy zavatra nampiahiahy ny tompon’andraikitr’ilay orinasa ka nametrahan’izy ireo fitarainana avy hatrany teny anivon’ny polisy ekonomika. Nisokatra teo ny fanadihadiana ary tsikaritra tokoa fa misy amin’ireo taratasy nomen’ireto mpiavdy ireo no hosoka. Taoriana kelin’ny nemetrahahan’ireo mpivady an’ireo antontan-taratasy hosoka dia niverina tao amin’ilay orinasa izy ireo, angamba nanantena sahady fa nekena ny fampindramam-bola azy ireo. Tsy izay anefa no nitranga fa efa polisy no niandry ary nentina natao famotorana ireto farany.

Nitohy sy nihalalina teny ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Fantatra teo fa efa tambajotra iray goavana izy ireo amin’ity resaka fampindramam-bola tsy ara-dalàna sy halatra amin’ny alalan’ny hosoka ity. Ary efa maro ireo lasibatra, hoy ny polisy. Nisesisesy araka izany ny fisamborana. Nanaiky nanoro ny fomba nahafahan’izy ireo nanamboatra ireo taratasy hosoka mantsy ireto mpivady ireto. « Olona telo hafa no voasambotra, izay mpamatsy, mpanao tombo-kase ary mpanoratra ireo taratasy hosoka ». Tamin’ny fisamborana azy ireo moa dia mbola nahitana fitaovana maromaro tany aminy.

Nentina natao fanadihadiana teny amin’ny sampandraharahan’ny polisy ekonomika teny Anosy ireto olona voarohirohy ireto ary natolotra ny Fampanoavana ny faran’ny herinandro teo. Nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa moa, izy ireo miandry ny fotoam-pitsaràna azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici