Ity angamba no azo lazaina fa fisolokiana goavana indrindra nitranga hatramin’izay, teto amintsika. Efa ho tafakatra hatrany amin’iny 200 any mantsy no mpitory ny orinasa iray izay voalaza fa nivarotra tany tamin’izy ireo. Mbola tokony hiampy ireo raha ny filazan’ireto olona voasoloky ireto, izay marihana fa nividy ampahan-tany tamin’ilay orinasa, satria dia efa ampahan-tany tsy latsaky ny 3600 no namidin’ity orinasa ity. Nisy tamin’izany aza no mbola namidy in-droa na in-telo tamina olona samihafa. Omaly ireto olona voasoloky ary mivondrona anatina fikambanana iray ireto no nanomboka nohenoina teny anivon’ny fitsarana. Raha tsiahivina kely ny tranga, dia nisy orinasa iray milaza fa mivarotra ampahan-tany amin’ny vidiny mora dia mora tokoa, teny amin’iny faritr’ Ambohimalaza sy Imerinkasinina iny, fotoana vitsivitsy lasa izay. Mipoapoaka ny dokam-barotra isan-karazany ary nanakoako eran’ny haino aman-jery izany. Mazava ho azy, betsaka tokoa ny roboka tamin’ilay tolotra, ary tsy nisy nanam-po na inona na inona fa dia hoe fanomezana tany ho an’ny Malagasy ilay izy. Nandeha ihany ny andro sy ny volana kanefa tsy hita mangirana intsony ny fikarakarana taratasy izay nodradradradrain’ilay orinasa fa hoe vita ao anatin’ny fotoana fohy. Ny vola vidin’ilay ampahan-tany amin’io anefa efa tapitra naloa avokoa. Ary ny zava-doza, dia nisy amin’ireo olona niandry ny fikarakarana ny taratasiny no manana laharana ampahan-tany mitovy. Izany hoe ampahan-tany iray ihany no namidy tamina olona roa, telo, samihafa. Teo vao tonga saina fa fitaka bevava ity tao amin’ilay tolotra ka nanapa-kevitra avy hatrany ny hitory izy ireo. Raha ny angom-baovao azo, dia efa misy olona roa voasambotra tamin’ity raharaha ity, saingy toa hoe, tsy ao anatin’izany ilay tena tompon’andraikitra. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’ny raharaha.
m.L