Fisolokiana niranga tany amin’ny taona 2017 sy 2018 tany ity fisolokiana goavana tamina lavanilina nanjo ity mpandraharaha avy eto Toamasina, fa mpanao lavanilina lena sy maina any Antalaha sy Sambava. Ny taona 2019 ity vao vaky mbantsilana ny raharaha satria nitsoaka foana ilay mpisoloky teo aloha teo saingy nifanehitra tamin’ilay mpandraharaha ihany ny farany tao Antananarivo no nisehoan’izany; noho ny fitorian’ity mpandraharaha ity teo anivon’ny zandary sy polisy Toamasina dia ny fitsarana Toamasina ny misahana ny raharaha, na tao Antananarivo sy Sambava aza no natao ny fanadiadiana rehetra. Ny 11 janoary dia nanendry mpiara-miasa taminy ity mpandraharaha tompon’ny orinasa “DMP SAS Export” ity hividy lavanilina amin’ireo tantsaha sy mpanangom-bokatra samy hafa. Taratasim-bola fotsy tsy mbola misy sora-bola nefa voasonia no nentina nanao izany tany Antalaha sy Sambava. Ny 30 marsa anefa dia nofoanana ity fiaraha-miasa ity ka tokony hamerina ny taratasim-bola fotsy efa vita Sonia hividianana lavanilina ity ilay mpiara-miasa, saingy tsy nanao izany fa vao mainka nampiasany ilay taratasim-bola. Nahazoany lavanilina milanja 2.748 kilao tamina tantsaha 33 mitentim-bidy 3.542.750.000 ariary. Raha nisy ny fanafoanana ny fiara-miasa teo amin’ity mpiara-miasa taminy sy ilay tompon’ny orinasa, dia nofohanana teny amin’ny banky ihany koa ilay taratasim-bola efa vita Sonia tsy naverin’ilay mpiara-miasa taorian’ny fandroahana azy; vokany voasoloky ara-bola avokoa ireo tantsaha 33 nividianana ilay lavanilina. Nametraka fitoriana teo anivon’ny zandary sy polisy ireo tantsaha voasoloky izay nosolin’Atoa Fulgence tena azy ireo; ka voatonona tamin’izany ingahy Razafindraibe Celestin sy ingahy Clement Raphael. Nandoa vola ihany ingahy Celestin nandritra ny fotoana nomeny 15 andro io saingy in-09 ihany izy no nanao izany ka nitentina 01 miliara ariary no naloany tamin’izay tamin’ireo vola 03 miliara mahery vidin’ilay lavanilina. Taorian’izany dia tsy hita intsony no tany nisy azy hatramin’ny findainy efa niova. Ny volana septambra 2018 anefa dia nifanena tampoka tao Antananarivo ilay mpisoloky sy ny tompom-bola ary nifanome fotoana tany Sambava fa hefaina izany. Tsy nisy anefa izany ka ilay tompon’ny taratasim-bola efa nofoanana ity indray no niharan’ny fitakiana ilay ambim-bola 02 miliara ariary mahery tamin’ny fisolokiana nation-dRazafindrabe Celetsin tany Sambava ary miafara amin’ny hanaovana lavanty ny tranon’ilay tompon’ny taratasim-bola efa nofoanana nampiasan’ilay mpiara-miasa efa naato.
Malala Didier