- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversFisolokiana : Lehilahy iray tratra nividy fiara tamina seky tsy misy vola

Fisolokiana : Lehilahy iray tratra nividy fiara tamina seky tsy misy vola

Tamin’ny talata 2 febroary teo,  no nisamboran’ny polisy avy ao amin’ny Faritany Ambohidahy ny lehilahy iray antsoina hoe S. I. malaza amin’ny fividianana fiara sy kodiarana amina seky tsy misy vola (chèque sans provision). Orinasa sy olona maro no efa voany tamin’izany. Araka ny loharanom-baovao, raha atambatra ny tetibidin’ny ny seky nomeny olona dia mahatratra hatrany amin’ny 271 tapitrisa arairy.

Tamin’ny taona 2015, tonga nividy  Sprinter tamina fivarotana iray izy. 34 tapitrisa Ar ny vidiny. Naloany vola ny 10 tapitrisa fa ny ambiny kosa nataony seky. Rehefa izany, nilaza indray izy fa mbola mila fiara roa mitovy amin’io vao novidiany io. 30 tapitrisa sy 32 tapitrisa ny vidiny. Seky ihany koa no nandoavany azy. Afaka herinandro anefa, niverina ireo seky ireo satria tsy misy vola. Tsy nijanona teo ny asan’ilay mpisoloky fa mbola nitohy hatrany. Nandeha nividy kodiarana tamina orinasa hafa iray teny Ambanidia indray izy. Nahatratra 60 tapitrisa ariary ny vidin’izany. Voalazan’ny vaovao, fa tsy nanome vola teo no ho eo izy fa nasainy nanaraka azy teny amin’ny faritr’Ivato ny mpiasa iray. Narebirebiny rehefa teny, hoy hatrany ny vaovao, ary dia nitsoaka ny anao lahy. Tamin’ny fanadihadiana azy no nahalalana fa rehefa misoloky ity lehilahy ity dia mitonona ho mpikambana ao amin’ny antoko eo amin’ny fitondrana.

Rehefa nahazo ny fitarainana ny polisy, dia natao ny fitadiavana an’ity lehilahy ity. Niaraka tamin’ny banky ireo mpitandro filaminana tamin’izany. Tratra ihany ny anao lahy. Manamarika ny polisy fa mpikambana ao anatin’ny antsoina hoe “Association Mafia” amina resaka seky tsy misy vola ity olona ity. Efa misy resaka fisolokiana mahakasika azy koa any amin’ny zandary. Omaly zoma no natolotra ny Fampanoavana ity olona ity.

Nangonin’i r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici