- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversFisolokiana : Maro ireo olona mahazo antso “ara-bola” tsy fanta-piaviana

Fisolokiana : Maro ireo olona mahazo antso “ara-bola” tsy fanta-piaviana

Tena tsy kely lalana tokoa ny ratsy, amin’ny fandikan-dalana ka manao ny fomba rehetra hahazoam-bola amin’ny fanaovan-keloka samy hafa. Raha manomboka araky ny olona ny fomba ratsin’ireo mpisoloky amin’ny alalan’ny tamba-jotra “facebook” sy ny “mailaka” dia miditra amin’ny fitiliana olona amin’ny alàlan’ny finday indray ireo mpisoloky ankehitriny. Tamin’ity volana aogositra ity izao,dia maro be ireo olona no mahazo antso tsy fanta-piaviana avy amin’ireo andian’olona mpisoloky, misy azy ireo avokoa ny tamba-jotra misy rehetra mandritra izany. Mandritra ny resaka ifanaovan’ireto andian’olona ireto, miandahy sy miambavy ary misandoka ihany koa ho mpiasan’ireo orinasam-pifandraisana misy eto amintsika, izy ireo no miantso dia mandresy lahatra mafy izy ireo fa misy olona nandefa vola be ho an’ity olona antsoiny, saingy tsy hita tampoka ilay olona voalaza fa mpandefa ny vola nefa tsy azo alefa amin’ireo “money-banking” misy ny vola raha tsy misy ny sarany. Koa io sarany io no alainy amin’ireo olona solokian’izy ireo; izay tsy an’aliny izany fa saika an-hetsiny sy an-tapitrisany, satria hoe am-polony tapitrisa ariary ilay vola tsy lasa miandry ity saran’ny fandefasana azy ity. Misy ihany ireo olona tratran’izy ireo mandefa ny vola izay miala maina aorian’izay, aty aoriana raha miantso ilay finday anefa izy ireo, dia tsy mandeha intsony ireo finday maromaro fampiasan’ireto mpisoloky ireto…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici