- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFisolokiana  « mercure » : Mpivady tra-tehaky ny zandary

Fisolokiana  « mercure » : Mpivady tra-tehaky ny zandary

Paik’adin’ny mpisoloky efa ela ity resaka volamena sy « mercure » ity. Ny mahagaga anefa dia mbola maro ihany ireo voajono. Soa ihany fa manao ny asany ihany koa ireo mpitandro filaminana, manjono tsikelikely ireo olon-dratsy. Ny voalohan’ny herinandro teo dia olona roa, mpivady, no voasambotry ny zandary tetsy Ambohimandroso, distrika Antanifotsy, raha nikasa ny hamitaka olona amin’izany resaka « mercure » sy volamena izany.

« Ny vahoaka aty aminay dia mampihatra ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana ary miantso avy hatrany ny zandary, raha vao misy tranga mampiahiahy » hoy ny filazan’ireo tompon’andraikitra any an-toerana. Mbola tsy namoa akory ny teti-dratsin’ireo mpisoloky dia efa vaky ravina ny an’ireo saika hosolokiany. Tamin’io fotoana io mantsy dia mbola teo am-pikasàna ny hametifetsy ity lehilahy iray ireto mpivady no nampandre avy hatrany ny zandary iry voalohany. Raha ny filazan’ilay saika ho voasoloky dia nilaza ireto lehilahy sy vehivavy ireto fa manana « mercure » sy volamena any aminy. Nitondra toy ny karazan-tsantionany mihitsy moa izy ireo, entina handresena lahatra ilay lehilahy ary tambatambazany amin’ny vidiny mora dia mora ilay hosolokiany. Rehefa hitan’izy ireo fa mitady hanaikitra ny trondro dia miseho ny maha olon-dratsy azy ireo. Milaza izy ireo fa tokony homena vola, ataon’izy ireo « carburant » fa taraiky aty an-drenivohitra ny fiaran’izy ireo. Ho an’ireo olona mora rebirebena dia manaiky tokoa, saingy tsy izay no zava-niseho teto. Zandary no tonga avy any ary nisambotra azy ireo avy hatrany. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa efa fitadiavam-bolan’ireo mpivady ireto mihitsy ity fisolokiana ity ary zavatra tsy izy akory ireo santionan-javatra any aminy. Mazava ho azy fa tsy misy akory ireo volamena antsasa-kilao latsaka sy « mercure » iray tavoahangy, handrebireben’izy ireo ny sain’olona. Natao andrimaso ho an’ny famotorana tany an-toerana ihany moa ireo farany ary efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana taorian’izay.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici