- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFisolokiana : Mpivady karohin’ny polisy fatratra

Fisolokiana : Mpivady karohin’ny polisy fatratra

Mpivady iray milaza fa manana fiaraha-masa amin’ny sehatra maro azo ampiasaina vola eto Antananarivo karohina fatratra amin’izao fotoana izao. Araka ny filazan’ny polisy, ilay vehivavy no miresaka amin’ireo olona fantany ka mandresy lahatra ny olona hampiasa vola miaraka aminy. Maro ny olona voasolokiny ary betsaka ireo very vola tamin’izany. Araka izany, vola efa anjatony tapitrisa no azon’izy mivady ireto. Maro ireo lasibatra ary nametraka fitoriana teny amin’ny polisy. Tsy hita intsony izy roa ireto rehefa azony ireo volan’olona . Mandeha ny fikarohana ary misy ny filazalazana ny momba azy ireo amin’izao fotoana izao. Iangaviana izay mahita na mahalala ny misy azy mba hampandre avy hatrany ny Service Central des Affaires Criminelles (SCAC) na ny sampana ady heloka sakelika voalohany (BC 01) ao amin’ny Direction de la Police Judiciaire – Anosy.  Ny polisim-pirenena dia manome toky fa mijanona ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao.

‍Ny olona mandray na mampiantrano na manafina olon-dratsy dia raisina ho mpiray tsikombakomba aminy ka ho henjehana araka ny lalàna.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici