- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFisolokiana : Nidoboka eny Tsiafahy ny Ganeana telo

Fisolokiana : Nidoboka eny Tsiafahy ny Ganeana telo

Betsaka niroboka amin’ny fandrika satria tena misy tongan’ireo Ganeana any amin’ny toerana nampanantenainy tokoa dia ao Maorisy izany. Saingy tsy izay nifanarahana no nitranga. Manana “agence” etsy Tsiazotafo ireo afrikana ary milaza ho mampiditra mpiasa ho any Maorisy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia vehivavy roa no azon’ny haran-jono. Nandoa vola 4 tapitrisa ariary avy. Lasa ny iray raha mbola nampiandrasina ny faharoa. Raha “caissière” no nifanarahana, rehefa tany dia lasa miasa amin’ny hotely ary mpanasa lovia. Sady tsy mandray karama koa. Tsy vitan’izany fa mbola nopozin’ilay ganeana koa ka rehefa tsy nahatsiaro tena dia naolany. Sivy andro dia nody ilay vehivavy ary ny Malagasy tany an-toerana no nanampy azy tamin’ny rehetra. Vao tonga dia nametraka fitoriana tany amin’ny polisy ary nandeha ny fisamborana ilay afrikana sy ny namany. Nidoboka eny Tsiafahy ireo noho ny fisolokiana sy fandefasana olona an-tsokosoko any ivelany. Marobe no mety mbola ho roboka amin’ity asa sandoka any amin’ny nosy Maorisy ity ary ilaina ny mba hanadihadiana tsara ny mpanelanelana mba hialàna amin’ny fahavoazana toa izany. Efa mampitandrina hatrany ireo Malagasy izay monina any an-toerana satria be loatra ny voafitaka rehefa tonga any. Raha tsy misy ireo mpiray tanindrazana ireo dia taraiky tanteraka any an-tanin’olona any izay voafitaka izay matetika ireo tanora mba mitady fisokafana.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici