Nitrangana fisolokiana avo lenta teny amin’ny « Stadium » Toamasina ny faran’ny herinandro teo. Vola 200.000 Ariary no nosolokiana tamin’ilay mpanao « cash point », ka vao nitranga izany satria niantsoantso vonjy ilay mpandefa ilay vola ka vory ny olona nandritra izany. Vao nahare izany sy nahita ireo olona efa nanomboka nivory ilay mpisoloky dia nitsoaka avy hatrany. Ny tena nampihomehy tamin’ilay tranga anefa dia mahita ny lalam-pasika ao amin’ny « Stadium » Mangarano ilay rangahy mpisoloky, ka tafiditra tamin’ny elakelan-trano tsy nisy lalana fivoahana. Hany heriny dia nandositra nihanika tafontranon’olona. Nisy nanaraka nanenjika hatrany anefa izy na nihanika tafontrano aza, ka teny no nisy nahatratra ary voadaroka teny an-tafontrano ilay rangahy nandritra izany. Saika hitsambika hiverina aty amin’ny tany ny nefa efa voahodidina olona ny tety ambany nandritra izany ; ka aleo voadaroka teny ambony tafontrano ihany. Saika maty ny fitsaram-bahoaka ny tenany, fa nisy tonga saina tampoka ka nanatitra azy tamin’ny filoham-pokontany ary ity farany no niantso mpitandro filaminana. Niverina ihany ny vola nosandohany taorian’izany, ary niverina nisokatra ihany ilay « cash point » taorian’izany rehetra izany. Ankoatra izany dia maro koa izao ny moto scooter very eto Toamasina tato ho ato, ary saika mitovitovy avokoa izy ireo. Heverina fa misy « opération » moto scooter indray eto Toamasina ankehitriny, ka mampitandrina ny mpitandro filaminana ny tokony ahamailo ireo mpanana moto scooter amin’ny fanaraha-maso.
Malala Didier



