Lehilahy iray mitondra taratasy, izay voalaza fa avy amin’ny Foiben’ny Fjkm no mandeha mitety fiangonana ary mangataka fanampiana. Nanambara anefa ny teo anivon’ny Seraseram-pifandraisan’izany fiangonana izany fa mpisandoka io lehilahy ary tsy misy ny fankatoavan’ny Foibe, araka ny voarakitra ao anatin’ilay taratasy entiny mandehandeha. Nisy araka izany ny hafatra maika naparitak’ireo tompon’andraikitry mampitandrina ireo fitandremana rehetra, fiangonana sy zana-piangonana miparitaka ny anivon’ny sahan’ny Fjkm izay mirakitra toa izao : « misy olona mitondra taratasy mitety Fiangonana, milaza fa loholona avy any amin’ ny Fitandremana Betsiaka Ambilobe, Atoa A. Jaosoa, izay misandoka ho manana taratasy avy amin’ ny Foibe, voasonian’ ny Tompon’ andraikitra, mangataka fanampiana. Ilazana araka izany isika mpitandrina, biraon’ ny fitandremana fjkm rehetra manerana ny nosy fa mpisandoka io olona io fa tsy nahazo alalana avy aty amin’ ny Fjkm ». Ankevitry ny efa maromaro ireo fiangonana lasibatr’ity mpisoloky ity, ary voalaza fa somary manery ireo tompon’andraikitra amin’izay fiangonana handehanany izy, noho ny fisian’ilay taratasy eny aminy. Antony iray nahatonga izao hafatra sy filazàna maika izao. « Azo handraisana fepetra » izany olona izany, hoy hatrany ireo tompon’andraikitra, raha sendra miseho vatana na aiza na aiza.
Hiarahan’ny rehetra mahalala tokoa fa misy vola misimisy mihodina tokoa ao amin’ireny fiangonana izany mba ho fampandehan-draharaha. Izay zavatra izay angamba no misarika ny sain’ny sasany ary mampitsiry hevi-dratsy amin’ny olona sasany hanaotao foana. Ekena tokoa fa natao ho an’ny rehetra ny Tranon’Andriamanitra ary afaka manatona izany avokoa ny rehetra, araka ny voalazan’ny Teny manao hoe « tsy tonga hiantso ny olo-marina fa ny mpanota (…) ». Saingy na izany aza, tsy hoe antsoina izy ireo, hanisy ratsy indray izay Trano izany fa hibebaka …
m.L