- Publicité SW45 -
lundi, mai 20, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitadiavana « j’aime » tao anaty Facebooka : Rangahy iray, nanasoketa polisy...

Fitadiavana « j’aime » tao anaty Facebooka : Rangahy iray, nanasoketa polisy nosamborina

« Ataovy am-piheverana hatrany ny fampiasana ny tambajotra sosialy toy itony fa aza variana mihanihany sy mitady « j’aime » na « j’adore » fotsiny ihany », hoy ny hafatra avy amin’ireo mpitandro filaminana. Rangahy iray, tompon’ny compte iray tao anaty tambajotra sosialy Facebook no voasambotry ny pôlisy, misahana ny cybercriminalité, rehefa voalaza fa « nanodina vaovao hoentina manaratsy mpitandro filaminana ». Ny zava-nisy tokoa mantsy dia nisy ny ranty (publication) niseho tao anatin’ny tambajotra sosialy Facebook, izay nilaza fa « nanakana sy nisambotra mpivarotra anana tsy nisy taratasy ny pôlisy ». Nisy sary mihitsy moa nasehoan’ity rangahy ity tamin’izay fotoana izay, nentiny naneho ny heviny. Nitondra fanazavana anefa avy eo ny pôlisim-pirenena fa fanentanana ny olona hiaro tena manoloana ny valan’aretina miha-mahazo vahana eto amintsika indray ny nataon’izy ireo fa tsy fanakanana na fisamborana velively araka ny voalaza. « Efa aretina izao no hiadiana sy anentanan’ny polisy ny olona hiaro tena, araka ny efa notaterina teto amin’ny pejy, fa dia mbola misy ihany ny olona mihanihany fiainana sy manodina vaovao hoentina manaratsy mpitandro ny filaminana sy ny fitondram-panjakana », hoy izy ireo, araka ny tatitra avy ao amin’ny pejy ofisialin’ny pôlisy ao amin’ny tambajotra Facebook. Araka izay, nosokajiana avy hatrany ho fanelezana vaovao tsy marina izay ranty izany. « Tsy tokony hampiasaina ho fandranitana sy fankahalana na koa hanapariahana vaovao tsy marina ny Facebook fa lasa mamotika sy manakorontana fiaraha-monina ». Izay zavatra izay dia heloka enjehin’ny lalàna ka antony nisamborana ity lehilahy ity, araka ny fanazavana azo hatrany. Tsy afaka nitazana fotsiny fa tsy maintsy mampihatra ny lalàna mantsy ireo mpitandro filaminana, antony nandraisan’izy ireo fepetra ny hisambotra sy hanao fanadihadiana an’ity olona ity. Notazonina natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny sampana miandraikitra ny heloka an’habaka eo anivon’ny pôlisim-pirenena moa ranamana ary heverina fa hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici