- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFitaleavam-paritry ny Fahasalamana Atsinanana : Notolorana solosaina ireo Medecin inspecteur

Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana Atsinanana : Notolorana solosaina ireo Medecin inspecteur

Tsy nanadino ny andro maneran-tany ny fahasalamana ny teto Toamasina, ka nisy ny hetsika nataon’ny fitaleavam-paritry ny fahasalamana atsinanana sy ny tetikasa ACCESS tohanan’ny vahoaka amerikana amin’ny alalany Usaid. Nisy ny lalao ara-panatanjahantena nataon’izy ireo sy ny mpiara-miombona antoka aminy tao amin’ny CJST, izay nahita ny lalao basket-ball sy ny lalao baolina kitra. Nisy ihany koa ny fitiliana natao samy hafa sy ny fanaovam-baksiny, ka nisy ny fanaovana vaksiny manohitra ny covid-19 teny amin’ny CJST, sy ny fitiliana momba ny diabeta tao hopitaly kely. Ankoatra izay dia nisy koa ny fanolorana solosaina  ho an’ireo Medecin Inspecteur natao nandritra ity andro maneran-tany ny fahasalamana ity. Nisy koa ny fanentanana ny olona hanatona ny tobim-pahasalamana mba hisitraka ireo tolotra misy ao aminy araka ny tanjon’ny ministera hoe “fahasalamana ho an’ny rehetra, raiso an-tanana ny fahasalamanao”. Maro ireo olona tonga nanao fitiliana momba ny diabeta, saingy vitsy kosa ireo nanao vaksiny ny covid na i Toamasina aza no mitana ny laharana voalohany amin’izay fanaovam-baksiny izany. Nisy ny hafatry ny talem-paritry ny fahasalamana ny amin’ny tokony hitandremana ny tsirairay fa mbola misy eto hatrany ny Covid, ka tokony ho tohizana ny fapetra ara-pahasalamana momba izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici