- Publicité -
jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversFitaovam-piadiana : Basy 68 sy grenady 5 tsy nisy taratasy

Fitaovam-piadiana : Basy 68 sy grenady 5 tsy nisy taratasy

Miparitaka ny basy ary izay hatreto no isan’ny mampirongatra ny asan-jiolahy. Isan’ny nisongadina tamin’ny tatitry ny pôlisy mahakasika ny vokatra nandritra ny taona 2016 ny nahatrarana basy  67 sy grenady dimy. Basy PA no tena betsaka ary nahatratra 40  izany. Nisy koa basy lava   17. Avy aiza ny basy ? Raha ny tsikaritra tamin’iny taon-dasa iny, dia nisy ny fahitana orinasa kely izay manamboatra vita gasy. Ny iray tetsy Anosipatrana ary ny faharoa kosa dia tany amin’iny faritr’i Bongolava. Basy tena izy no ataon’ireo lasitra ary vitany tanteraka ny piesy ao anatiny. Na izany aza anefa, ireto basy sarona ireto dia basy tsy vita gasy ny ankamaroany. Midika izany fa misy trafikam-basy mandeha koa eto amin’ny firenena. Tsy mahagaga raha ny dahalo aza efa mampiasa kalachnikov amin’izao fotoana. Antony naha-lavo ny miaramila maro izay niady anaty akata tany ambanivohitra tany izany. Efa manomboka mitovy mantsy ny hery ampiasaina kanefa izy ireo isaky ny manafika dia an-jatony isa hatrany. Tsy dia hoe nisy basy vaovao sy maoderina be amin’ireo basy mivezivezy eto amintsika fa basy efa nampiasaina teto ihany no mihodinkodina. Fafana aza ny laharan’izy ireo mba tsy hahitana ny toerana niaviany, indrindra raha toa ka mpitandro ny filaminana no voasokajy tokony  hampiasa azy…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici