- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFitaterana an-dranomasina : Miteraka olana ho an’ireo mpitatitra olona ireo mpitatitra entana...

Fitaterana an-dranomasina : Miteraka olana ho an’ireo mpitatitra olona ireo mpitatitra entana afa-miasa

Hatramin’ny nandraisan’ny fanjakana ny fepetran’ny fihibohana sy hamehana ara-pahasalamana noho ity valanaretina covid-19 ity, dia mahatsiaro tena ho voa mafy amin’ny asany ireo mpanao fitaterana olona an-dranomasina, mpampitohy an’i Toamasina renivohitra sy Soanierana Ivongo amin’ny ilany avaratr’i Toamasina iny, Mananara avaratra sy Maroantsetra. Lasa miteraka fialonana ho an’ireo mpitatitra olona ny fahazoan’ireo mpitantitra entana amin’izao fotoana izao, hany ka saika mahazo fandrahonana hatrany ireo mpitatitra entana an-dranomasina, indrindra ho an’ireo mampitohy an’i Maroantsetra. Isan’ny niharan’io fandrahonana hodorana io fa soketaina mitondra mpandeha ny sambo « M/S VOLASOA EXPRESS ». Nanamarika anefa ny tompon-tsambo fa tsy mbola nitondra olona izany ny sambony, na izy ireo aza no mamatsy entana ny ao Mananara avaratra sy Maroantsetra amin’ny enta-madinika ilain’ny vahoaka andavanandro. Vokatra io fikasana andian’olona “voakarama” handoro sambo madinika mpitatitra entana io, dia tafahitsoka ao Soanierana Ivongo ireo sambo madinika ireo amin’izao fotoana izao, nefa izy ireo no mpitatitra ireo entana tena ilain’ny vahoaka amin’ny tapany aravatra analanjirofo iny amin’ireo entana ilain’ny vahoaka amin’ny fiainany andavanandro. Raha hitohy izao fandrahonana ireo sambo madinika mpitatitra entana mianavaratra izay, dia ahiana atsy ho atsy ny famatsiana ireo enta-madinika andavanandro ny mponina ireo any amin’ny faritra Ambatosoa Mananara avaratra sy Maroantsetra iny. Ankoatra izany anefa dia tsy ahenoan-teny fa mangina ireo olom-panjakana ao Maroantsetra sy Mananara avaratra, ka miady irery ireo tompon-tsambo mpitatitra entana amin’ny zava-misy iainan’izy ireo.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici