- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversFitohanana eny Andranomena : Lasibatry ny mpanendaka hatramin’ireo any anaty  taxi 

Fitohanana eny Andranomena : Lasibatry ny mpanendaka hatramin’ireo any anaty  taxi 

Sakafo fihinanan’ireo mpitondra fiara isan’andro ny fitohanana eny amin’iny lalan’Andranomena sy Ambohibao iny. Hanina amin’ny lemim-panahiny sisa ! Saingy zavatra hafa mihitsy indray izao no mampitairana ireo mpampiasa lalana: ny fanendahana anaty fiara …

Mirongatra tanteraka izany fanendahana anaty fiara izany eny amin’iny faritra iny raha ny angom-baovao azo. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy tamin’ny zava-nitranga ny alakamisy lasa teo. Andro antoandro be nanahary, tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany tany ho any, dia mpandeha fiarakaretsaka iray no lasibatr’izy ireo. Sendra nametraka finday teo ambony ny feny ilay ramatoa mpandeha no notsoriahan’ilay totakely ka lasa. Tamin’io fotoana io ihany koa moa dia zara raha nihidy ny fitaratra nanandrify ilay mpandeha. Manararaotra ny fitohanana lavareny sy tsy manam-pahataperana eny an-toerana ireo totakely fa indrindra ihany koa ny fahatokisana be loatra ataon’ireo mpampiasa lalana izay toa maka fanahy ireo olon-dratsy.

Ny mahatalanjona tokoa dia angamba mahita ireo mpitandro filaminana marobe: ireo mpifehy fifamoivoizana, ireo mpiambina toerana stratejika na toeram-pivarotana ireo mponina dia matoky be fahatany fa tsy hisy sahy hanao asa ratsy eny an-toerana. Diso tanteraka anefa ! Porofon’izany ny fisian’ny fitairanana matetika azon’ny eo anivon’ny pôlisy mahakasika ity trangana fanendahana anaty fiara ity. Ireto farany ihany koa moa dia efa manao izay azon’ireo atao ihany amin’ny fametrahana ny paik’ady hiadiana amin’izany. Fantatra mantsy fa tsy lasa lavitra akory ilay totakely naka ilay findain’ilay ramatoa tao anaty  taxi dia efa voasambotra rehefa avy nifanenjehana. Ilàna fahamailona foana tokoa amin’ny fiainana fa ny ratsy tsy kely lalana na oviana na oviana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici