- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitohanan’ny fifamoivoizana : Zaza novonjena maty teny an-dàlana

Fitohanan’ny fifamoivoizana : Zaza novonjena maty teny an-dàlana

Ontsa tanteraka ny reniny izay nanao izay faraheriny mba hanavotana ny ain-janany. Ny zoma hariva teo, narary ny zanany vao herintaona monja. Tsy nanan-tsafidy ankoatra ny naka taxi-moto ilay ramatoa, satria tena nitohana ny fifamoivoizana. Hamonjy hopitaly ny anton-diany. Teny an-dàlana anefa, tao anatin’ny ora tena betsaka mpifamoivoy ary niraikitra tanteraka ny fifamoivoizana. Tsy afaka hatramin’ny kodiaran-droa. Na dia teo aza ny fampanenoana « klaxon » dia tsy nisy nandraharaha, noheverin’ny olona ho toa ireny moto tsotra izay mitady làlana ireny. Nangovitra ilay zaza ary teny an-dàlana ihany dia afaka ny ainy. Vatana mangatsiaka no nentina mody tamin’ilay taxi-moto ihany, raha araka ny fanazavan-dreniny. Tranga toy izao dia mampiseho fa tena miantraika amin’ny ain’olona ity olan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra ity, indrindra fa iny mizotra ho any Itaosy iny. Tokony hahatonga saina haingana izay mety ho tompon’andraikitra, satria ny daholobe no indray sahirana. Na ny fitaterana marary aza izany dia efa manano sarotra. Ankoatra izay, mila mba ho an’ny besinimaro ireny « ambulance » ireny ary misy isaky ny hopitaly. Matetika mantsy dia izay misy hoenti-manana sisa no azo taterina amin’izy ireny. Mila jerena akaiky ny tombontsoa « farafahakeliny » ho an’ny daholobe, indrindra rehefa aina no resaka.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici