- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversFitokonan’ny mpianatra ao Barikadimy : Manangasanga ny fanakatonana aloha ny Oniversiten’i Toamasina

Fitokonan’ny mpianatra ao Barikadimy : Manangasanga ny fanakatonana aloha ny Oniversiten’i Toamasina

Roa herinandro izao no nitokona noho ny olana eo amin’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina sy ny mpianatra ny ao Barikadimy Toamasina. Ireo mpianatra amin’ny taona fahatelo eo amin’ity oniversite ity ireto manao fitokonana ireto ; izay ny sampam-pianarana fitantanana sy toekarena ary ny kajy mirindra no nanomboka izany, na DEGMIA, izay narahan’ireo sampam-pianarana hafa eo anivon’ny oniversite ihany koa, taty aoriana.

Efa ho herinandro izay, dia nakaton’ny mpianatra ny vavahady miditra ny oniversite, nobahanan’izy ireo ihany koa ny birao miditra ireo sampam-pianarana samy misy ao Barikadimy. Tao anatin’izay, dia milaza ireto mpianatra ireto fa tsy nisy nihaino mihintsy, ka omaly alatsinainy faha-22 oktobra dia niha-mafy izany hetsika izany satria nakaton’ny mpianatra tena tsy ahafahana mivezivezy ny vavahadin’ny oniversite sy ny sampam-piofanana teny sinoa, “Confucius”, sy ny fampianarana momba ny teny, “Lettres”. Raha ny zava-misy eo anivon’ny oniversite izany, dia mikatona tanteraka ny ao Barikadimy noho ireo bahana samihafa ataon’ireo mpianatra.

Raha ny fanazavana nataon’ireto mpianatra mitokona ireto, dia ny tsy mangaraharaha mikasika ilay fampiharana ny LMD mandritra ny fanadinana ka nampilatsaka be ny taham-pahafahana tamin’ny fanadinana farany teo izao miteraka olana eo amin’ny mpianatra sy ny mpitantanana ny oniversite izao. Ho an’ny mpianatra, dia maika fotsiny hampihatra ilay fomba fampianarana LMD ny oniversite, saingy tsy manome ny mangaraharaha mikasika izany, koa takian’ireo mpianatra ny antsoina hoe “compensation générale” amin’ny naotin’izy ireo. Tsy nitsahatra teo anefa ny fitakian’ny mpianatra, satria tsy nanome fanazavana sy voarirarira raha niresaka tamin’ny sojabe samihafa, ka mitaky ny fialan’ny filohan’ny oniversite, Atoa Velo Jerôme, koa izy ireo izao satria amin’ny mpianatra dia izy no anton’izao olana ao Barikadimy izao.

Ho an’ny filohan’ny oniversite anefa, dia mpianatra tsy afa-panadinana sy mpianatra misy maniraka ireo manao fitokonana eo anivon’ny oniversite ireo; koa raha mitohy izao hetsika mety hanimba ny foto-drafitrasan’ny oniversite izao, dia tsy maintsy handray fanapahan-kevitra hanakatona ny ao Barikadimy indray ny mpitantanana ato ho ato, raha ny filan’Atoa Velo Jerôme. Ho hita eo indray izany ny fivoaran’ny raharaha, satria milaza ny tsy hanaiky lembenana ny mpianatra mitokona, miteny ny tsy hilefitra koa ny oniversiten’i Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici