- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFitrandrahana kraoma ao Andriamena : Orinasa nakatona niteraka savorovoro fa lasan’ny Sinoa

Fitrandrahana kraoma ao Andriamena : Orinasa nakatona niteraka savorovoro fa lasan’ny Sinoa

Olona an-jatony maro very asa, mikatso ny tombotsoa azon’ny kaominina amin’ny haba sy ny tamberim-bidy. Lasan’ny Sinoa ny tsena, ary miteraka savorovoro eo amin’ny mpiasa very asa.  Raha ny vaovao, nitsahatra ny asa fitrandrahana kraoma ataon’ny orinasa APC, orinasa manana fahazoan-dalana, tsy miankina amin’ny kraomita manana ny foibem-pitrandrahany ao amin’ny kaominina Andriamena, distrikan’i Tsaratanàna. Nogiazan’ny mpitandro filaminana avy aty Antananarivo sy ny vadin-tany, ny alarobia lasa teo, ireo fitaovana ary nakatona ny orinasa. Raha ny loharanom-baovao, fifanolanana ara-barotra amin’ny orinasa Sinoa iray mpanelanelana eo amin’ny sehatra ara-barotra harena an-kibon’ny tany no anton’izao fanakatonana izao.

« Noho ny fanakatonana, misy akony tanteraka amin’ny toekaren’ny kaomina sy ny fiainana ara-tsosialy izao zava-miseho izao », hoy ny ben’ny tanànan’Andriamena, Falinirina Rakototsalama. Raha ny fanadihadiana, miantoka ny ampaham-bola ampiasain’ny kaomina amin’ny kitapom-bolany ny orinasa APC, izay niditra tao Andriamena, nanomboka ny taona 2015. 60 isan-jato amin’ny haba aloan’ny orinasa amin’ny Fanjakana no miditra amin’ny kaomina. Ankoatra ireo ny tamberim-bidy. Ny orinasa rahateo no manajary sy nahazoan’ny kaomina ny lalam-pirenena 33A mampifandray an’i Brieville sy Andriamena mifampitohy amin’Ambatondrazaka. Mpiasa maherin’ny 200, izay samy zanak’Andriamena, no lasa sorona tsy fidiny. « Hangalatra, sa hanao jiolahy izahay ? » Fanontanian-dRabekoto, mpiasan’ny APC io. Ahina rahateo ny hiverenan’ny tsy fandriam-pahalemana mampalaza an’Andriamena, raha efa nilamindamina izany. Ho tapaka tanteraka mantsy ny famatsiana herinanratra eo an-tanàna, izay iantohan’ny APC noho izao fanagiazana izao. Raha ny fantatra, « Groupe électrogène » no mamatsy herinaratra ny tanàna. Ankizy maro koa no ahina hiala an-daharana an-tsekoly noho ny fahaverezan’asan’ny ray aman-dreniny, sy ny fiantohan’ny orinasa ny fanabeazana ny zanak’Andriamena. Manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana, araka izany, ny mponina any an-toerana, mba hijery akaiky ity zava-mitranga ity. Ahiana hivadika zava-dratsy ny toe-draharaha.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici