Sehatra iray tsy tokony hamaivanina intsony ny Fitsaboana nentim-paharazana eto Madagasikara. Mahomby tokoa izy io ary betsaka no efa nahita soa taminy indrindra tamin’ireny fotoana nampirongatra ny valan’aretina Covid-19 ireny. Nandray anjara mavitrika tamin’ny ady tamin’io loza io ireo mpisabo nentim-paharazana tao aorian’ny antso fiaraha-miasa naton’ny Fiiloham-pirenena Andry Rajoelina mba hiadiana amini’io areti-mndoza io. Azo lazaina fa nahomby izany ka nahatonga ny Firenena Malagasy tsy nahitana maty fahafatesan’olona maro raha mihoatra ireo firenen-kafa voakasik’io aretina io. Tombony hoan’ny Firenentsikaa ny fananana ireo zava-maniry isan-karazany izay akora fototra trandrahana sy ampiasain’ireo mpitsabo entim-paharazana. Tokony hararaotina izany mba hiatrehana ny fasahiranana ara-pahasalamana vokatry ny fahantran’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Noho izay antony izay indrindra no hiantsoan’ny Filohan’ny fikambanana FI.TRA.MA, Rafanomezansoa Jean Nirina, ireo mpandala ity sehatra ity hanaraka hatrany ny ara-dalàna ka ho matihanina tanteraka eo amin’ny asa ataon’izy ireo. Efa manana rafitra manokana ireo mpikatroka amin’ity asa, dia ny ANTM (Association nationale des tradi-praticiens). Efa nankatoavin’ny Fanjakana ny fijoroany. Ny fanjakana izay efa nametraka ireo lalàna mifehy io sehatra io. Tafiditra ao anatin’izany ny mikasika ny toeram-piasana , ny fitantanan-draharaha , ny fandraisana ireo marary ary indrindra ny fitondran-tena tokony hananan’ireo mpitsabo. Hoan’ny FI.TRA.MA manokana dia nilaza Andriamatoa Rafanomezantsoa Jean Nirina fa miezaka hatrany ny fikambanana izay tarihiny sy tantanany mba tsy hivaona amin’izany. Manomboka eo amin’ny toeram-piasana sy ny fomba fiasa indrindra ny fanafody ampiasaina izay nosoritany fa tsy mampiasa hafa tsy ireo zava-maniry irery ihany.
T.M.




