- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFitsaram-bahoaka tany Mahajanga : Lehilahy nangalatra gana 2 sy vilany 1, maty...

Fitsaram-bahoaka tany Mahajanga : Lehilahy nangalatra gana 2 sy vilany 1, maty novonoin’ny mpianatra

Kapoka, daroka, vono isan-karazany no nahazo ity mpangalatra ity ka tsy tana intsony ny ainy. Omaly tokony ho tamin’ny roa ora maraina dia lehilahy iray no nosamborin’ny mpianatry ny oniversiten’i Mahajanga, tao amin’ny Campus Ambondrona. Raha araka ny vaovao voaray tany an-toerana, dia tratra niaraka tamina gana roa sy vilany iray avy nangalarina ity lehilahy ity. Niharan’ny hatezeran’ireo mpianatra araka izany ity mpanao ratsy ka maty novonoin’izy ireo. Nanambara ny mpitsabo fa noho ny vono nahazo azy sy ny fahaverezan-drà be loatra no nitarika ny fahafatesany. Araka ny vaovao voaray, dia lehilahy 40 taona monina eny Antanambao Sotema ity maty ity. Mantsaka rano asa nataony ka nahafantaran’ny olona azy hatramin’izay. Mitohy hatrany ny Fitsaram-bahoaka eto amintsika. Nanomboka ny taona 2017 ity, dia efa efatra sahady ny vono olona tany Mahajanga.

Kanto R. (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici