- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversFitsaram-bahoaka tao Andapa : Tsy hamaly faty ny havanay maty akory izahay

Fitsaram-bahoaka tao Andapa : Tsy hamaly faty ny havanay maty akory izahay

« Tsy haninona na dia kely akory, izay nahafaty ireny havanay ireny izahay » hoy ny fianakavian’ireo jiolahy roalahy maty tamin’ny sakoroka niseho tao amin’ny fokontany Mahadera, ao amin’ny kaominina Betsakotsakon’Andranotsara, ao amin’ny distrika Andapa, ny faramparan’ny volana martsa. Novakian’ireny fianakavian’ireo jiolahy anankiroa maty nandritra ny sakoroka ny bantsilana tamin’ny fokonolona sy ny fianakavian’ny andrimasompokonolona tao Mahadera fa “efa fanao mahazatra azy roalahy ireto ny halatra lavanilina manta sy ny fanafihana olona tamin’ny basy sy ny antsy maranitra ka nahavoa azy ireo izao. Hatramin’ny mbola talohan’ny faha-30 taonany ny anankiray izay feno 40 taona izao ary fony mbola faha-10 taona ka hatramin’izao faha-20 taonany ilay faharoa, 35 taona izao. Noho izany, hoy ihany izy ireo, dia tsy haninona na haninona olona nahatonga izao fahafatesan’izy ireo izahay fianakaviana, izay tena menatra noho ny nataon’izy ireo tamin’ny fokonolona sy ny mpiara-monina taminay”. Nanao taratasy mazava momba izany ny raiamandrenin’ny roa tonta ary nametrahan’izy ireo izany taratasy izany ny andrimasompokonolona ao Mahadera sy any amin’ny Lehiben’ny Poste Avancé ny Zandarimariam-pirenena ao Ambodiangezoka. Voasonian’izy ireo sy ny vavolombelona tsara izany taratasy izany. Amin’izao fotoana izao, dia mbola tsy tratra ka mbola ao anatin’ny fikarohana ny roalahy izay nandositra ny fokonolona any amin’ny fokontany iavian’ireo maty sy ny ao Mahadera ary ny zandary.

REMI, Rakotonirina

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici