- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversFitsaram-bahoaka tao Andapa : Tsy nitsoaka ny kaomisera, mitohy ny famotorana

Fitsaram-bahoaka tao Andapa : Tsy nitsoaka ny kaomisera, mitohy ny famotorana

Taorian’ilay famonoan’olona ankalamanjana sy teo ambany imason’ny mpitandro filaminana niseho tany Andapa sy Sabotsy 01 avril lasa teo, nandeha ny resaka fa tsy hita izay nanjavonan’ny kaomisera lehiben’ny polisy any an-toerana. Voalaza ihany koa fa tsy fantatra marina izay niafaran’ity raharaha toa niendrika fitsaram-bahoaka ity satria teo imason’ireo vahoaka izay efa tezitra ka nitaky izany sy ny mpitandro ny filaminana no nanapahan’ny rahalahiny ny lohan’ilay zandriny izay nampangaina ho nandoro trano.

Araka ny fanadihadiana teo anivon’ny polisim-pirenena, fantatra izao fa tsy tao an-toerana tokoa io kaomisera io nandritra ny fotoana vitsivitsy, saingy efa ao izy ankehitriny. Tsy nandositra na niafina araka ny ahiahin’ny maro indrindra ireo mpanara-baovao ny tenany fa antony ara-pianakaviana, hamonjy ny mariazin’ny anabaviny, no nialany tao Andapa ary nahazoany alalana ara-dalàna izany, hoy ny fanazavana.

Mikasika iny raharaha vono olona iny indray dia voalaza fa mitohy ny famotorana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici