Tara ny fanombohan’ny fitsarana ady heloka bevava tsotra, na ny « CCO », ho an’ny fitsarana ambony eto Toamasina. Ny antony, raha ny fanazavana azo, dia resaka tetibola amin’ny fanaovana azy noho ny « CCO » fitsarana manokana natokana ho an’ireo ady heloka bevava rehetra misy eo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina.
Raha ho an’i Toamasina , dia ny 15 jolay hatramin’ny 30 aogositra izao ny andiany voalohany amin’izany. Efa andiany telo no vita amin’ny vanim-potoana ohatran’izao teo aloha. Saika ireo heloka momba ny heloka bevava rehetra efa vita famotorana no hiakatra fitsarana amin’io andiany voalohany io. Antontan-taratasin’ady 137 no hotsaraina amin’izany hosahanin’ireo mpitsara eo anivon’ny fitsarana ambony. Mbola mitana ny lohalaharana amin’ny heloka bevava amin’izany hatrany ny vono olona , satria antontan-taratasy 50 eo no hotsaraina mandritra izany « CCO » andiany voalohany izany. Manaraka azy ao ny fanafihana mitam-piadiana sy halatra narahana herisetra; izay mazana miteraka faharatrana sy famonoana olona ihany koa, ka 40 eo ny antontan-taratasy hotsaraina amin’izany ; manaraka azy ao ny fanolanana zaza latsaky ny 15 taona izay tsy mifidy fa tafiditra ao avokoa na zazalahy io na zazavavy, misy amin’izany ireo zaza 03 taona sy 05 taona ary 07 taona ka miisa 26 eo ny antontan-taratasin’ady mikasika izany. Manaraka azy rehetra ao ny vono olona niniana natao (assassinat) miisa 07, ny fanapoizinana misa 05, ny fanaovana hosoka sy fampiasana izany miisa 03, ny halatra taolam-paty sy famakiana fasana miisa 05, ary ny fanodinkodinana volam-panjakana sy fisandohana andraikitra miisa 03 izay saika nitranga amin’ireo kaominina ambanivohitra.
Ankoatra izany, dia fantatra ihany koa izao fa hanomboka ny 15 jolay io ihany koa ny fitsarana ady heloka bevava tsotra ho an’ny fitsarana Vatomandry, Ambatondrazaka, Moramanga ary ny ao Maroantsetra. Na efa manana fitsarana aza ny ao Fenerivo atsinanana, dia mbola ny fitsarana ambony eto Toamasina no hisahana ny raharaha, satria saika mbola eo anivon’ny fitsarana Toamasina avokoa ny antontan-taratasin’ady rehetra.
Malala Didier