- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFitsarana ambaratonga voalohany Toamasina : Nahazo efitranom-pitsarana vaovao ho fanafainganana ny asam-pitsarana

Fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina : Nahazo efitranom-pitsarana vaovao ho fanafainganana ny asam-pitsarana

Ny zoma masandratra andro teo no notokonana ny efitranom-pitsarana iray ho an’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Toamasina. Vola madiodin’ny fitsarana eto Toamasina azo avy amin’ireo olona maka ny “register de commerce et Société” eo anivon’ny fitsarana no nampiasaina nanaovana ny asa. Isan’ny asa mbola hatao amin’izany vola izany koa ny fefy miaro ny fitsarana, araka ny fanazavana azo.

Nandritra ny lanonam-pitokanana no nilazan’ny tonia mpampanoa lalan’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Atoa Lauret Rajaonah Thierry, fa natao izao fanampiana ny efitranom-pitsarana izao ho fanafainganana ny asan’ny fitsarana, satria saika antontan-taratasin’ady manodidina ny 150 isaky ny fotoam-pitsarana no sahaninin’ny mpitsara iray noho ny fitomboan’ny raharaha ady heloka na ady madio eto Toamasina. Ho fanatsarana ny asam-pitsarana ihany koa ny antony, mba samy ho afa-po amin’ny fisahanana ny antontan-taratasin’ady ny mpanan-draharaha sy ny mpitsara mamoaka ny didy. Raha ny tantara mantsy dia efa tamin’ny fotoan’ny fanjanahan-tany ny efitranom-pitsarana tokana ampiasain’ny fitsarana teo aloha, saingy amin’ny fahamaroan’ny raharaham-pitsarana dia nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ny fitsarana ambony ary ny fitsarana ny ady atao amin’ny fanjakana sy ny ara-bolam-panjakana, tamin’ny fampiasana ny efitranom-pitsarana azy ireo nanomboka ny taona 2016.

Ho an’ny minisitry ny fitsarana, Atoa Randrianasolo Jacques, kosa izay tonga teto Toamasina mihitsy nitokana ity efitranom-pitsarana vaovaon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ity, dia nilaza mazava fa ny heloka fanodinkodinam-bolam-panjakana, ny fanolanana, ny fanafihana mitam-piadiana, halatra taolam-paty, ary ny fanaovana fakana an-keriny, dia raharaha tsy azon’ny fitsarana leferina mihitsy. Baiko no nomen’ny minisiteran’ny fitsarana amin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika ireo voarohirohy amin’izany avy hatrany. Toraka izany koa ireo mpangalatra sy mpanao trafika amin’ny harem-pirenena, toy ny andramena sy ny volana ary ireo biby arovana eto amintsika. Efa nahazo fankatoavan’ny mpamatsy vola izao asa ataon’ny mpitsara malagasy izao, amin’ny fanovana ny fomba fiasa, ka mila samy mandray ny andraikiny ny tsirairay ao anatin’izany.

Raha ny momba ireo mpitsara efatra naato eo anivon’ny fitsarana ambony Toamasina noho ny raharaha fanomezana fahafahana vonjimaika an’i “Haja” mpanao fakana an-keriny farany teo, dia tsy nasian’ny minisitra resaka ny raharaha, fa ny tonia mpampanoa lalana eto Toamasina amin’ny maha-mpikamban’ny Filankevitra ambonin’ny fitsarana no nilaza fa mbola hodinihana ny mikasika izany. Tsy marina koa ny filazana fa efa mandeha ny fanadihadiana azy ireo, satria tsy mbola naharay ny mikasika izany ny fitsarana eto Toamasina. Na izany aza, hita nampangatsiaka ny firaisan-kinan’ny samy mpitsara eto Toamasina ihany ny fampiatoana ireto mpitsara efatra ireto.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici