vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana ambony eto Toamasina : Potiky ny rano ny ankamaroan’ireo antontan-tarasin’ady ny...

Fitsarana ambony eto Toamasina : Potiky ny rano ny ankamaroan’ireo antontan-tarasin’ady ny ady heloka bevava

Isan’ny niharan’ny fahasimbana betsaka tamin’ny fandalovan’ny rivodoza “AVA” farany teo, ny fitsarana ambony eto Toamasina. Saika tapitra vaky avokoa ireo fitaratra haingon’ity fitsarana ity. Vokany, tapitra ripaka ihany koa ireo haingon’ny trano tao anatiny ary tafiditry ny rano vokatry ny orana ny efitra fiasan’ireo mpirakidraharaha sy ireo mpitsara. Araka ny fanadihadiana marim-pototra, izay tonga teto Toamasina mihitsy nanomboka ny zoma teo ny minisitry ny fitsarana nijery imaso ny zava-misy, fa saika 100%-n’ny antontan-taratasin’adin’ ny ady heloka bevava tokony handalo fitsarana amin’ity taona 2018 no simba nilona tao anaty rano, noho ny fianjeran’ny armoara vy misy azy tao anaty rano. Mbola ao anatin’ny fandaminana ny raharaha mikasika ireto antontan-taratasin’adin’ny ady heloka bevava simba ireto ny fitsarana izao, satria raha tsy vita izany dia tsy maintsy hivoaka ny fonja ireo voarohiroy raha tapitra ny fe-potoana nomen’ny lalana mitazona azy ireo fonja vonjimaika. Ankilan’izany, dia fantatra ihany koa izao fa misy voakasika tamin’ny fahasimbana nateraky ny fahasimban’ny fitsarana ambony koa ireo antontan-taratasin’adin’ireo heloka tsotra sy ny ady madio miakatra eo anivon’ny fitsarana ambony ity; nefa misy amin’izao no tokony hamoahana didy ny fiandohan’ny volana febroary izao. Ho an’ny fitsarana ambaratonga voalohany izay nisy fahasimbana ihany koa anefa, dia ny 15 janoary 2018  no efa tokony ho nisy ny fitsarana nandeha araka ny fandaharam-potoana efa vita ny taona lasa. Ankoatra izay dia notsidihan’ny minisitry ny fitsarana ihany koa ny fahasimban’ireo efitrano roa nofaohin’ny rivodoza “AVA” tao amin’ny fonja ben’i Toamasina, ka mahatonga ireo voafonja manao tambabe ao anatin’ireo efitra mbola azo ipetrahan’izy ireo. Torak’ izany koa ny sekoly fanofanana ireo mpandraharaha ny fonja, ANAP, ao Antetezambaro; izay nahitana fahasimbana be ihany koa, nefa efa misy mpihofana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici