- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana Anosy : Niakatra fampanoavana ilay ramatoa izay efa nokarohina ela

Fitsarana Anosy : Niakatra fampanoavana ilay ramatoa izay efa nokarohina ela

Niakatra fampanoavana teny Anosy ilay raharaha fisolokiana sy fivadiham-pitokisana rehefa avy natao famotorana tetsy amin’ny polisy ekonomika ilay ramatoa antsoina Edmonde, izay namoahana didy fampisamborana sy filazam-pikarohana. Voasambotra tany Toamasina izy io ary nentina niakatra taty Antananarivo nanaovana ny fanadihadiana. Nilaza ny avy ao amin’ny Fampanoavana Anosy fa tsy mahefa hitsara ka nalefa any amin’ny Tribonalin’Arivonimamo ny raharaha. Notazomina eny anivon’ny zandary eny amin’ny Toby Ratsimandrava ity ramatoa ity, amin’izao.

Mangataka amin’ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ity raharaha ity. « Mangataka ny bianco mba anaraka akaiky izao fisolokian goavana izao. Mirehareha tokoa mantsy io ramatoa io fa mis olona ambony miaro azy ary tsy ijanon eny Antanomora izany ny tenany. Matahotra ihany koa ireo rehetra lasibatr’ity ramatoa ity satria dia mampihorohoro foana ny ataon’io vehivavy io », hoy ny fitarainan’ireo mpitory. « Matoky ny fitondram-panjakana mahefa izahay ary mino izahay fa mba handray ny valin’ny asa ratsiny tokoa. Mahatoky ny fahendrena ambaratonga rehetra voakasik’ zao raharaha izao izahay », hoy ny fanamafisan’ireo mpitory izay efa tonga maro nametraka fitoriana.  Raha tsiahivina, nokarohin’ny polisy ekonomika fatratra, nanomboka ny 30 janoary 2020 ilay ramatoa voarohirohy io. Fisolokiana sy fivadiham-pitokisana no fiampangana azy, izay nipetraka tao amin’ny Villa Diamondra, Kianjamalaza Andriantompoiray, Kaominina ambanivohitra Ambatomirahavavy. Nambaran’ireo fianakaviana lasibatra tamin’ity fisolokiana sy fivadiham-pitokisana nataon’ity olona ity, fa niditra tao amina hotely iray tany Toamasina izy io no hitan’izy ireo ka avy hatrany dia niantsoana polisy tao an-toerana,ary voasambotra

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici