Dimy sisa no isan’ny antontan-taratasim-pitsarana mbola azo novakiana rehefa tsy potiky ny afo. Ireo ihany koa no azo notsaraina omaly tao amin’ny fitsarana ady heloka tsotra tao an-toerana. Raha ny tombana anefa dia raharaham-pitsarana manodidina ny 30 no tokony nandalo tao amin’io ambaratongam-pitsarana io. Hisy ny fivoriana maika, izay raha araka ny fantatra dia hatao anio, manoloana ity fahasimban’ny dosiem-pitsarana ity. Raha tsiahivina dia nisy ny fitsaram-bahoaka ny alin’ny alarobia teo ary niafara tamin’ny fandorana ny ampahany tamin’ny fitsarana tao an-toerana izany ary koa ny famoahana olona notazomina tao amin’ny fonjan’i Maroantsetra.
D.R