- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana Maroatsetra : Dosie dimy sisa azo notsaraina omaly

Fitsarana Maroatsetra : Dosie dimy sisa azo notsaraina omaly

Dimy sisa no isan’ny antontan-taratasim-pitsarana mbola azo novakiana rehefa tsy potiky ny afo. Ireo ihany koa no azo notsaraina omaly tao amin’ny fitsarana ady heloka tsotra tao an-toerana. Raha ny tombana anefa dia raharaham-pitsarana manodidina ny 30 no tokony nandalo tao amin’io ambaratongam-pitsarana io. Hisy ny fivoriana maika, izay raha araka ny fantatra dia hatao anio, manoloana ity fahasimban’ny dosiem-pitsarana ity. Raha tsiahivina dia nisy ny fitsaram-bahoaka ny alin’ny alarobia teo ary niafara tamin’ny fandorana ny ampahany tamin’ny fitsarana tao an-toerana izany ary koa ny famoahana olona notazomina tao amin’ny fonjan’i Maroantsetra.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici