- Publicité SW45 -
samedi, novembre 2, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitsarana miaramila : Nivoaka ny tetiandro ho an’Antananarivo

Fitsarana miaramila : Nivoaka ny tetiandro ho an’Antananarivo

Nandritra ny Fihaonan’ny talen’ny Fanompoam-pirenena sy fiandry na ny DSNGR, ny Jeneraly Rasolonirina Roger tamin’ny mpanao gazety omaly no nitondrany fanazavana mahakasika ny fotoam-pitsarana miaramila ho an’ny taona 2022 eto Madagasikara sy ny fanisana na « recensement » ary ny asa hafa izay sahanin’ny fitaleavana. Notsahiviny nandritra izany fa araka ny Lalàna momban’ny « Fitsarana miaramila » na « révision » voasoritra ny didy hitsivolana 78-002, andininy fahatelo dia manana adidy sy andraikitra hanao fitsarana miaramila ny olom-pirenena lahy sy vavy feno 19 taona hatramin’ny 31 taona ny taona hitsahana. Araka ny didim-panjakana laharana 2020-1354 tamin’ny 21 Oktobra 2020 dia mazava tsara ao amin’ny andininy haha-5 fa ny fotoam-pitsarana miaramila ho an’ny zatovolahy sy vavy dia isaky ny voalohany volana jolay ka hatramin’ny faha 31 Oktobra ny taona itsahina. Hanomboka ny faha-4 jolay izany raha ho an’ny eto Antananarivo. Miisa 308 ny toerana hanaovana fanisana manerana ny Nosy ary 1698 ireo kaominina no ho vitaina mandritra ity tetiandro ity koa manentana ny rehetra anefa ny adidiny. Izay mahavita izany dia mahazo « attestation de révision » ary ny fitaleana kosa dia mampiditra ny anarana anatin’ny arisivam-panjakana Ireo rehetra feno 18 taona kosa dia tokony hiatrika ny fanisana ary raha ny amin’ity taona ity dia efa azo avokoa ireo lisitry ny zatovovavy sy zatovolahy isaky distrika ka feno 18 taona ho an’ity taona ity. Ny fanisàna araka ny volaza ao anaty didim-panjakana ihany dia manomboka ny voalohan’ny volana Aprily ka hatramin’ny faha-30 Jiona no andefasan’ny Distrika tsirairay ireo lisitry ny feno 18 taona ny taona itsahana.

Nangonin’i T.M.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici