Ny zoma teo, tao amin’ny efitranom-pitsaran’ny fitsarana ara-bolam-panjakana teto Toamasina, no nanao tatitra mikasika ny fandaniam-bolam-panjakana nataony, ny taona 2017 iny, ny teo anivon’ny fitsarana ara-bola eto amintsika. Amin’ny ankapobeny, dia tena hita fa gaboraraka ny fomba nitantanan’ny fanjakana tamin’ny alàlan’ireo andrim-panjakana sy ireo minisitera ary ireo vondrom-bahoakam-paritra, ny fitantanan’izy ireo ny volam-bahoaka ny taona nivalona iny. Ao ny halatra sy fanodinkodinam-bola mivantana, ao kosa anefa ireo mody nanaovana asa nefa tsy nisy, tsy voahaja ny bokin’andraikitra sy ny kalitaon’ny asa natao. Tamin’ity tatitra nataon’ny fitsarana ny ara-bolam-panjakana ity, dia naraha-maso manokana ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, sy ny orinsam-panjakana Jirama, ary ny fomba nanaovan’ireo minisitera isany ny tolo-barom-panjakana ny taona nivalona iny. Raha ho an’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena aloha, dia mahatratra 13 miliara ny vola nanaovana asa nokirakirain’izy ireo. Araka ny tatitry ny fitsarana ara-bolam-panjakana, dia betsaka tamin’ireo asa nataon’ity minisitera ity no tsy nanaja ny bokin’andraikitra, sy nahitana fanodinkodinam-bola be loatra, noho asa tsy vita ara-dalana, ary ny fanomezana ny ankamaroan’ny asa orinasa tokana izay heverina fa misy ifandraisan’ireo mpiasan’ny minisitera ny orinasa nahazo izany. Raha ho an’ny Jirama indray, dia tena nisongadina ny fividianan’ity orinasa ity solika lafo noho ny amidy eny amin’ireo mpaninjara solika mahazatra. Raha vidina 2.742 ariary ny solika ho an’ny mpanjifa tsotra eny amin’ireo mpianinjara izany, dia mividy 3.107 ariary kosa ny Jirama amin’ireo mpanafatra solika; izay tsy mazava ny mahazo ireo vidiny mihoatra mahatratra 365 ariary isaky ny litatra. Eo koa ny fahaverezana be loatra amin’ny vokatra herinaratra vokarin’ny Jirama, satria mahatratra 31% ny very noho halatra. Manampy trotraka izany ny trosan’ny Jirama; izay manodidina ny 456,2 miliara ariary izany ho an’ny olona amin’ny Jirama raha mahatratra 243,7 miliara ariary kosa ny trosan’ny Jirama amin’ny olona, izay ny fanjakana no tena tsy mpandoa ny laniny amin’ny Jirama; mahatratra 149 miliara ariary izany ka ny biraom-panjakana samihafa manerana ny Nosy. Ny oniversitem-panjakana, ny vondrom-bahoakam-paritra manerana ny Nosy ireo tena be trosa amin’izany. Ankoatra izay, dia olana goavana amin’ny Jirama mahatonga ny fahaverezam-bola aminy dia tsy nisy afa-tsy 824 monja ny mpaka ny tarehimarika lanin’ny olona amin’ny vokatry ny Jirama ampiasainy manerana ny Nosy, izany hoe mpiasa iray misahana kaontera 100 hatramin’ny 200 isan’andro, arakaraka ny faritra misy azy ireo, hany ka ny 45% ny olon-tsotra, 35% ny orinasa, ary ny 0,4% ny “régimes spéciaux” ihany no mba mandoa ny laniny. Hatramin’ny taona 2012 sy ny taona 2014 dia niakatra 248 miliara ariary ny fanampiana nataon’ny fanjakana tamin’ny Jirama, satria raha 149 miliara ariary izany ny taona 2012 dia tafakatra 427 miliara ariary izany ny taona 2014, araka io tatitry ny fitsarana ara-bolam-panjakana nohazavaina teto Toamasina io.
Malala Didier