- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversFitsarana mitety vohitra teto Toamasina : Zaza sy ankizy 1.400 nahazo ny...

Fitsarana mitety vohitra teto Toamasina : Zaza sy ankizy 1.400 nahazo ny kopiam-pahaterahany

Natao ny zoma 28 septambra teo ny fizarana ireo didim-pitsarana mikasika ny fanomezana kopiam-pahaterahana nandritra ny fitsarana mitety vohitra nataon’ny tarika Nantenaina, sy ireo mpitsara sy mpiasan’ny kaominina mpiara-miasa aminy, ho an’ireo zaza sy ankizy tsy nanana izany eto Toamasina renivohitra. Niisa 2.000 mahery izy ireo no nanaovana ity fitsarana mitety vohitra ity 20 andro lasa izay, saingy miisa 1.400 ireo notolorana ny didim-pitsarana ny zoma io mba hahafahan’izy ireo manamboatra ny kopiam-pahaterahany eny anivon’ny kaominin’i Toamasina renivohitra avy eo. Didim-pitsarana no nomena azy ireo, hoy i Nantenaina, hialana amin’ny fahadisoana samihafa, satria mora ahitsy kokoa ny didim-pitsarana noho ny kopiam-pahaterahana raha misy ny fahavitany. Mbola misy 600 eo izany ireo zaza sy ankizy miandry didim-pitsarana manaraka indray ao anatin’izao fitsarana mitety vohitra ho fanomezana kopiam-pahaterahana ireo tsy manana izany eto Toamasina renivohitra izao. Nomarihan’i Nantenaina hatrany fa “miainga amin’ny fananana izao kopiam-pahaterahana izao ny ho avin’ireo zaza sy ankizy ireo, satria manomboka izao vao afaka miditra an-tsekoly izy ireo, aoriana ao kosa dia afaka maka ny kara-panondrony, ary isan’ny vahoaka malagasy koa izy ireo, satria isan’ny misoratra ao anatin’ny bokin’ny sora-piankohonana mirakitra ny zaza teraka eto amintsika”. Mieritreritra ny hetsika manaraka ny ekipan’ny tarika Nantenaina ankehitriny, ka kasaina hatao isaky ny boriborintany indray izany, satria efa betsaka sahady izao ny fangatahan’ny ray aman-dreny voarain’izy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici