- Publicité -
mardi, octobre 27, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsFitsarana “TPI” sy ny “TA” Toamasina : Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny...

Fitsarana “TPI” sy ny “TA” Toamasina : Napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny filohany

Natao ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny fotoam-pitsarana manokana natrehan’ny minisitry ny fitsarana Malagasy Rtoa Fanirisoa Ernaivo, ny fametrahana ireo filoham-pitsarana dia ny TPI sy ny TA ireo. Ny teo anivon’ny fitsarana amin’ny ady atao amin’ny fanjakana dia Rtoa Ramorasata Nomenahenintsoanorolalaina Rota no mihazona ny filohan’ny fitsarana nandritra izany. Nambarany nandritra ny fametrahana azy izao, fa ny fiaraha-miasa amin’ireo fitsanjaram-pahefana sy ny fanoroana ny lalana haleha no tanjona mandritra ny maha-filoha azy izao. Tsapa mantsy fa maro ny lesoka ataon’izy ireo, ka mahatonga azy ireo ho mazana voaroiroy eny amin’ny fitsarana ary mizaka ny sazy mifanaraka amin’ny heloka vitany.

Ny faharoa dia ny fametrahana ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Toamasina, Atoa Mahadiny Kaloloha Joseph mpitsara grady voalohany. Ny tanjona kosa aminy dia ny ady amin’ny kolikoly izay tena mahazo vahana ankehitriny, ary miteraka korontana eny amin’ny fiaraha-monina, indrindra ny kolikoly momba ny resaka tany, ka mahatonga halatra tany maro eto Toamasina. Vokatry ny tsy fahalalana ny tena fositra amin’izany hoy ity filohan’ny fitsarana ambarantonga voalohany Toamasina ity, ka tsy maintsy ny hezaka amin’ny fampitana ny didy aman-dalana any amin’ireo vahoaka sy mpanan-draharaha amin’ny fitsarana no tanjona amin’izao. Hita ihany koa ny fadikan-dalana hanabaka indrindra fa ny tambanjotran-tserasera “facebook”, ka tsy maintsy handraisana fapetra mba hanara-dalana ny zavatra atao ao anatiny. Tsy azo ekana ary tsy maintsy andraisana didy ny fanaratsiana sy fanompana olona ary ny fanambakana olona ao anatin’ireny tambanjotran-tserasera ireny; ka tokony hitandrina ireo mpanao izany manomboka izao, fa tena lasa manakorontana fiaraha-monina ny fisiany. Niatrika izany lanonanam-pitsarana miavaka izany, ireo olom-panjakana maro avy eto Toamasina nahitana ny filoha lefitry ny solombavambahoaka misahana an’I Toamasina. Ireo lehiben’ny mpitandro filaminana samy faha. Ireo nasaina manokana sy ireo mpandraharaha ny fonja ary ny fianakaviam-be ny fitsarana Toamasina.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici