- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversFitsenana ny Barea : Ho feno polisy eny Ivato ka hatreny Anosy

Fitsenana ny Barea : Ho feno polisy eny Ivato ka hatreny Anosy

Efa mifampitaona ny olona amin’ny fitsenana ny ekipam-pirenena Barea. Omaly dia efa samy nandamindamina ny fandaharam-potoanany ny maro. Mifanandrify amin’izany koa, ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana dia efa miomana amin’ny asany. Raha ny eo anivon’ny polisim-pirenena manokana dia fantatra fa hanisy ny olony izy ireo eny amin’ny làlana izay hizoran’ny Barea. Amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no higadona eny amin’ny seranam-piaramanidina ny mpilalao ary avy harany dia hitety tanàna maro izay sady làlana mizotra mankaty an-drenivohitra rahateo. Hatreto, raha tsy misy ny fanovàna farany avy amin’ny « comité de normalisation » izay tompon-teny amin’ny fikarakarana ny fitsenana, dia miala eny Ivato ary mandalo eny Talatamaty, Ambohibao, Digue Andohatapenaka, cité des 67 hectares, Andavamamba, Ampefiloha  ary Anosy ny ekipam-pirenena. Tsy ny polisim-pirenena irery no hisahana ny fiambenana, ny fifamoivoizana ary ny fandaminana amin’ny hetsika lehibe toy izao fa ny vondrona telo tonta izay ao anatin’ny Emmo-Sécurité. Iaraha-mahalala rahateo fa vao haingana isika, ary nandritra ny fetim-pirenena akory aza, no nanana olana tamin’ny fandaminana olona aman’arivony. Isan’ny mbola olan’ny mpitandro ny filaminana eto amintsika ny « gestion de foule » ary inoana fa efa mandray ny fepetra rehetra izy ireo anio mba tsy hiverenan’izay lesoka tany aloha. Nitarika fahafatesana hatrany mantsy izany ary efa tonga hatramin’ny fanasaziana ny firenena aza nisy fotoana. Mbola tadidin’ny maro ny lalao izay natao teo Mahamasina izay maro tonga ny olona ary tsy voafehy taty amin’ny vavahady ka nisy maty. Niteraka tsy fahazoana mampianatrano lalao iraisam-pirenena nandritra ny fotoana tsy voafetra izany. Raha misy ny ezaka tokony hatao, indrindra amin’ny fandefasana olona mba hanao fiofanana any ivelany dia tokony io fandaminana olona an’arivony sy an’aliny io no hiompanana tsara. Torak’izany koa ny anivon’ny sekolin’ny mpitandro ny filaminana tsirairay avy. Na izany na tsy izany, mitodika eny Ivato ny mason’ny mpanara-baovao anio ary hiaraka hifaly amin’ny fitsenana ny Barea…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici