- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversFitsenana ny taona 2023 : Olona112 noraisina tao amin’ny HJRA, vehivavy miisa...

Fitsenana ny taona 2023 : Olona112 noraisina tao amin’ny HJRA, vehivavy miisa 02 namono tena

Azo lazaina fa nilamindamina ihany ny fitsenana ny taona 2023 teto Antananarivo raha ny tarehimarika azo avy eo anivon’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy-Andrianavalona Ampefiloha no jerena. Ity toeram-pitsaboana izay mandray ireo olona naratra vokatry ny loza isan-karazany isaky ny vanim-potoana ny fety toy izao. Nahatratra 112 ireo olona niditra tao ka nilana fitsaboana maika ny andron’ny 31 desambra 2022. 100 no tao amin’ny sampana vonjy aina vokatry ny dona amin’ny vatana (urgence chirurgicale). 12 kosa ny tao amin’ny famelomanaina mahakasika ny taova (réanimation médicale) izay tsy maintsy notanana eny amin’ny hôpitaly avokoa ny ankamaroany. Mikasika iry 100 voalohany dia 16 tamin’ireo no tsy amintsy nahiditra hôpitaly. Araka ny fanazavan’ny dokotera lehiben’ny mpiandry raharaha io andro io, dia ny maratra nohon’ny lozam-pifaoivoizana ny betsaka, izay nahatratra 21 isa. Manaraka izany dia ireo vokatry ny adiady isan-karazany izay miisa 17. Teo ihany koa  ireo ratra vokatry ny fianjerana tany an-tokantrano izay nahitana tranga 15. Araka ny nambaran’ny mpitsabo dia avy amin’ny fibobohana zava-mahadomelina sy zava-pisotra misy alikaola no tena fiavian’ireo loza ireo. Manoloana izany dia manentana hatrany ity tompon’andraikitra ity ny hitandreman’ny rehetra mba hisorohana ny toy izao. Nosinganiny manokana amin’izany ireo mpamily fiarakodia sy kodiaran-droa. Tsy nisy kosa anefa ireo maty tato amin’ity sampana nandritra io 31 desambra io.

Namono tena

Mikasika ny tao amin’ny “urgence médicale” kosa, maro amin’ireo marary no vokatry ny fiakaran’ny tosi-drà, na olan’ny fitovam-pandevonan-kanina sy ny faovam-pisefoana izay tsy maintsy nilana famonjena haingana. Teo ihany koa ireo vokatry ny fisotroana toaka tafahoatra. Fa ny tena niavaka dia ny fisian’ireo vehivavy miisa 02 tsy maintsy nentina namonjy hôpitaly rehefa avy namono tena tamin’ny fihinanana fanafody tafahoatra. Nohon’ny ezaka nataon’ireo mpitsabo anefa dia avotra ny ain’izy ireo. Tsy nisy ihany koa ny olona maty tao ami’ity sampana ity. Araka ny fantatra moa dia vokatry ny olam-pitiavana avokoa no nahatonga ireo vehivavy ireo hamoto tena. Tranga mateti-piseho amin’ny fety toy izao, izay mahatonga fihetseham-po eo amin’ny nakamaroan’ny olona. Raha oharina amin’ny antontan’isa tamin’ny faran’ny taona 2021 dia somary nahitana fihenana kokoa ny tamin’ity taona ity ny olona niditra tao amin’ity toeram-pamelomanaina ity.

T.M.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici