- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitsindronana “Héroïne” teto Toamasina : Sazy mihantona enim-bolana sy lamandy 50.000 ariary izy...

Fitsindronana “Héroïne” teto Toamasina : Sazy mihantona enim-bolana sy lamandy 50.000 ariary izy telo lahy

Nivoaka ny didy momba ireto mpitsindrona rongony “heroïne” teto Toamasina, ka araka izany dia sazy mihantona enim-bolana sy fandoavana lamandy 50.000 ariary isany izy telo lahy. Nandritra ny fitsarana koa dia nilaza ny fitsarana fa tsy misy mpitory ity raharaha fitsindronana rongony “heroïne” ireto ity, saingy tsy maintsy nandray ny didy momba ny raharaha ihany no fitsarana ka nivoahan’izao sazy mihantona sy lamandy izao. Vao tsy ela ihany koa nandritra ny fivorian’ny OMC dia nambaran’ny prefen’i Toamasina, fa mampirongatra ny tsy filaminana eto Toamasina ny firongatry ny fitsindronana “heroine”, sy fifohana rongony. Tonga eny anivon’ny sekoly ireny rongony samy hafa ireny amin’izao, ka nahatonga ny polisy nanao hetsika izay nahasamborana ireto telo lahy mpitsindrona rongony “heroïne”. Ny fanadiadiana hatrany no nahalalana fa efa ahitana toeram-pivarotana sy mpamongady dimy eto Toamasina renivohitra amin’izao fotoana izao; ahitana mpitsinjara izany ihany koa ny amin’ireo toerana fandraisam-bahiny sasantsasany eto Toamasina. Ankoatra izany dia ho zava-doza no hitranga amin’izao firongatry ny fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika eto amintsika izao, raha tsy misy ny ezaka ataon’ny rehetra hifehy izany miaraka amin’ireo mpitandro ny filaminana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici