- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFitsoahana tao Antanimora : Voasambotra tetsy Ambohidratrimo ny iray

Fitsoahana tao Antanimora : Voasambotra tetsy Ambohidratrimo ny iray

Nody tany amin’ny raibeny izy rehefa nitsoaka tao Antanimora (sary ZP)

Nody tany amin’ny raibeny izy ary naka vilona vao maraina teny an-tanimboly no nosamborina. Solofoniaina R. isan’ny  tafatsoaka nandritry ny fahavakian’ny fonjan’Antanimora, ny alin’ny asabotsy hifoha alahady teo. Efatra andro taty aoriana, rehefa nisy nampandre ny zandary avy etsy Itaosy fa mety ho any amin’ny havany eny Ambohidratrimo ihany izy no nitsoaka, avy hatrany dia nanao fidinana ifotony. Tsy nananosarotra fa vao nigadona teo an-toerana omaly dia efa hita teo an-tanimboly ilay tovolahy. Izy io, raha hiverenana kely, dia mbola famonjana vonjimaika ihany no nandehanany ao Antanimora. Voarohirohy tamin’ny raharaha fanolanana izy ary miandry ny fotoam-pitsarana eny « ambany atsinanana ». Tsy nisy fanoherana nandritry ny fisamborana azy, raha araka ny fanampim-panazavana azo. Telo no tafatsoaka ka izy no iray, ireo roa ambiny kosa mbola karohina manerana ny Nosy. Isan’ny mahatonga fanafintohinana ho an’ny zandary matetika ny tsy fahazoan’izy ireo vaovao ara-potoana avy amin’ny mpiandry fonja, rehefa misy ny fahavakian’ny toeram-pamonjana. Amin’izy ireo mantsy, dia lasa manatara ny fandraisana fepetra tokony ho- raisin’izy ireo ny toe-javatra toy izany. Etsy andanin’izany, mipetraka ny fanontaniana ankehitriny ny momba ity fahavakian’ny fonja matetika ity. Efa fantatra ny hoe antitra ny fonja eto an-toerana ary efa fantatra koa ny hoe mihoatra ny tokony ho zakany ny isan’ny olona fonjaina. Tsy tokony  hoentina amin’izany intsony ny valim-panontaniana rehefa mitranga ny fitsoahana. Misy endrika hafa koa mantsy hita mibaribary, dia ny fanomezana alàlana ny voafonja izay manam-bola ho MOP ary lasa afaka miriaria aty ivelany. Tsy ny mpiandry fonja no tompon’andraikitra amin’izany, fa ny fitsarana. Ary dia lasa betsaka ireo tsy matahotra fonja intsony, satria fantany ny fisian’io sy ny fomba hahazoana azy. Mbola endrika fitsoahana koa izany…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici