- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFivadiham-pitokisan’ny orinasa “MICTSL” : Hanao fitokonana manomboka anio ireo mpitatitra entana sy...

Fivadiham-pitokisan’ny orinasa “MICTSL” : Hanao fitokonana manomboka anio ireo mpitatitra entana sy ireo “transitaires”

Niverina nihenjan-droa tanteraka ny tady eo amin’ireo mpitatitra entana sy ireo “transitaires” Toamasina, amin’ny orinasa “Mictsl”, izay efa noezahan’ny minisitry ny fitaterana novahana ny alatsinainy 11 desambra lasa teo; nahatonga ny fivoriana indroa miantoana niarahan’ny minisitra tamin’ny andaniny sy ankilany tao amin’ny efitrano fivorian’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Taorian’ny fivoriana notarihan’ny minisitra dia nisy ny hevitra nifanarahan’ny rehetra nivoaka. Isan’izany ny fampiakarana ny fetr’andro tsy hitataovan-ketra ho 07 andro fa tsy ho 05 andro intsony mandra-pivahan’ny olan’ny “Mictsl”, ny fanofana fitaovana fibatana entana noho ny fahasimban’ireo fananan’ny orinasa ka miteraka tsy fahampiana sy fitarazohana eo amin’ny fisahanana ny famoahana ireo kaontenera, ny fametrahana ny ora fidiran’ny kamiao maka ireo kaontenera sy ny ora fivoahan’izy ireo ny “Mictsl”. Nanomboka tamin’io alatsinainy 11 desambra io hatramin’ny faran’ny herinandro teo, dia tsy nisy na iray tamin’ireo nifanarahan’ny “Mictsl” tamin’ny minisitry ny fitaterana ireo aza notanterahina. Nambaran’ireto mpitatitra entana sy ireto “transitaires” ireto fa fanambarana goavana an-gazety indray no navoakan’ny orinasa toa milaza fa “mandainga” ny minisitra, sy “mpamita-bahoaka” ny mpitatitra entana sy ny “transitaires” no nisy. Vokatr’ireo antony rehetra ireo, sy ny tsy fahitana vahaolana teo anivon’ny minisitera raha nangataka famahana haingana ny olana ireto mpitatitra sy ireto “transitaires”, ary ny fanapahana niaraka nifanaovan’ireo iharan’ny “fivadiham-pitokisana” ataon’ny “Mictsl” ireto taorian’ny fivorian’izy ireo, dia hitokona tsy voafetra izy ireo manomboka anio talata 26 desambra ka tsy hiverina hiasa raha tsy vita sonia ny fifanarahana eo amin’ny telo tonta ireto hialana amin’ny fitapitaka. Tsy hisy entana hivoaka sy hiditra izay eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina manomboka anio.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici