- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFivarotan-tena : Lehilahy iray tratra nivarotra ankizy tsy ampy taona amin’ny vahiny

Fivarotan-tena : Lehilahy iray tratra nivarotra ankizy tsy ampy taona amin’ny vahiny

Manoloana ny firongatry ny heloka mamoafady tato ho ato izay dia tsy mikely soroka ireo tompon’andraikitra isanisany amin’ny famorongana hatramin’ny fakany ireo mpanao ratsy. Lehilahy iray no tra-tehaky ny polisy avy ao amin’ny sampana BFP (brigade féminine de proximité) nivarotra ankizy tsy ampy taona amin’ny vahiny, tany Mangily Toliara. « Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ireo sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny olona marefo amin’ny fiarovana ny zaza amam-behivavy », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Tao anatin’izany indrindra no nahenoan’izy ireo feo mahakasika ny fisiana olona mampiasa ankizivavy, hivaro-tena sy mivarotra izany amin’ny ireo terantany vahiny tany amin’iny faritra iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana teo anivon’ny sampana ity ary nidina ifotony. Rehefa natao ny fanadihadiana rehetra sy ny fanarahamaso, lehilahy iray mampiahiahy, izay voalaza fa tompon’antoka tamin’izany dia niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana izy ireo. Voalazan’ny vaovao fa tratra am-bodiomby teo am-pitondrana ankizivavy kely, miisa telo, izay mbola vao 10 ka hatramin’ny 12 taona ingahirainy.  « Nitondra azy ireo tany izay fantatra fa sady manimba ireto ankizy ireto no vao hivarotra azy amin’ireo vazaha any an-toerana » hoy hatrany ny vaovao nampitain’ny pôlisy. Nosamborina teo ho no eo avy hatrany moa ity farany ary nentina natao fanadihadiana. Tsiahivina fa heloka bevava ary henjehin’ny lalàna eto amintsika ny faneràna fa fanirahana olona hivaro-tena ka ahazoana vola fa indrindra moa ka hoe ankizy tsy ampy taona ireo. Araka izany dia tsy mitsahatra ny fanentanana atao ny amin’ny tokony hiarahan’ny rehetra mientana manoloana ny tranga toa izany ary ny hampandrenesana haingana ireo tompon’andraikitra, raha misy ny tranga mampiahiahy. Ambetin-tenin’ireo mpitandro filaminana mazàna ny hoe tanana ho tsiambaratelo tanteraka ny mombamomba ireo mpanome vaovao ka tsy misy ny tokony hahatahorana. Ho an’ny eo anivon’ny pôlisy manokana dia efa misy ny sampan-draharaha manokana misahana itony karazana heloka mamoafady itony sy ny herisetra mianjady amin’ireo zaza amam-behivavy. Anisan’izany ny BFP izay antsoina amin’ny laharana maitso 147 / 813 na ny PMPM (police des mœurs et de la protection des mineurs) : 034 05 703 73.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici