- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversANTSIRABE : Fivarotana telo nasesin’ny jiolahy novakiana

ANTSIRABE : Fivarotana telo nasesin’ny jiolahy novakiana

Mirongatra indray ny vaky trano sy fanendahana eto Antsirabe sy ny manodidina, indrindra fa eto ampovoan-tanana. Fivarotana telo no nasesin’ny jiolahy notafihana ny faraparan’ny herinanandro lasa teo tao Ambohimiandrisoa.

Nanomboka ny herinandro lasa teo no nifanesy ny famakiana trano sy fivarotana tao amin’ny manodidina ny kartié Ravintsara, trano iray no fatatra fa vaky, lasan’ireo jiolahy ny akoho amam-borina ampolony maro fa ireo zanany kely sisa navelany raha fitantaran’ny ny voatafika. Tsy re ny hamakian’ireo olon-dratsy ny trano fa mety mampiasa fonoka izy ireo, toy izay ihany koa ny hakany ireo akoho amam-borona ireo fa tsy misy maneno na iray monja aza. Maraina vao nahatsikaritra ny tompotrano fa tsy nisy tao intsony ny  fiompiana rehetra.

Fivarotana enta-majinika iray manomorona ny ara-be eo ampitan’ny ravintsara no nisy namaky ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Ramatoa lehibe iray mpifanila vodirindrina handeha hamonjy fiara maraina no nifanehatra tamin’ireo jiolahy raha izy hivoaka ny tranony tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Notohanan’ireo jiolahy avy any ivelany ny varavarany ary nambanany antsy lava ilay ramatoa. Vaky nandositra anefa ireo jiolahy taorian’izay  ka nariany teo ivelan’ny trano ny entam-barotra vitsivitsy toy ny ranono mandry, paty, savony sns… Efa nobatain’ireo jiolahy mialoha  ny entana maromaro tao ampivarotana toy ny menaka sy vary. Ankoatra izay bisikileta iray sy finday ary vola 1 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy tao ampivarotana.

Mbola fivarotana iray hafa ihany koa no nisy namaky ny alin’ny Sabotsy hifoha alahady tao ambadiky ny ravintsara ihany. Toeram-pivarotana zava-pisotro ity nisy namaky ity, mitovy hatrany ny fisehon’ny fanafihana tokony amin’ny 1 ora maraina eo, nalain’ireo jiolahy ny zava-pisotro rehetra niampy zava maneno iray. Tsy nisy nahare ny tompon-trano fa ny maraina vao nahatazana fa vaky ny fivaratoana.

Azo hambara ho faritra maresaka ary misy jiro manazava ireo toerana nisy nanafika ireo, tsy kely lalana anefa ny jiolahy fa  mila mialo hatrany satria fotoana mampirongatra ny jiolahy izao fahavaratra izao, ny fahantrana efa tsy lazaina intsony.

Adry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici