“Hosavaina ary tsy handeferana ny fampiasana taratasy hosoka hitondrana razana mihoatra faritra” hoy ny fanazavana azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Tsy azo atao ny mitondra razana izay voamarina fa lavon’ity valan’aretina mampidi-doza ity mivoaka ny faritra nohidiana anisan’izany ny eto Analamanga. Hentitra dia hentitra tokoa ary tsy handefitra na amin’iza na amin’iza ny eo anivon’ny zandary eny amin’ireny sakana ireny. Araka ny nambaran’izy ireo : “ireo mpitsabo manome certificat hosoka, ny kaominina manao fanomezan-dalana handevina, ny mpitandro filaminana (OPJ) manao ny dity hidim-bata (scellé), ny fianakavian’ny maty, dia samy hatao fanadihadiana ary ho enjehina araka ny lalàna avokoa raha misy ny hosoka”. Raha ny voalazan’ireo zandary avy eo anivon’ny Vondron-tobim-pileovana Vakinankaratra dia efa nisy tomponandraikitra maromaro tratra tamin’izay taratasy hosoka nentina nitondrana razana izay. Araka izany dia tsy maintsy hosavaina avokoa ireo fiara mitondra razana rehetra , izay mivoaka ny faritra mihidy. Hiaraha-mahalala tokoa fa mafy amintsika Malagasy izany hoe tsy milevina an-tanindrazana. Na izany na tsy izany anefa, anaty hamehana ara-pahasalamana isika izao ary miady amin’ny fahavalo tsy hita maso ka na dia eo aza izay soatoavina izay, tsy maintsy manaraka ny fepetra, natao mba tsy hiparitahan’ny valanaretina ity isika. Miangavy sy mampitandrina araka izany ny eo anivon’ireo mpitandro filaminana, mba hanarahan’ny rehetra ireo fepetra efa noraisina, ahafahana miady, tsy hiparitahan’ny aretina.
m.L