- Publicité -
vendredi, septembre 25, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFivoariana nampiaka-peo : Mpitantana iray torana, novonjena haingana

Fivoariana nampiaka-peo : Mpitantana iray torana, novonjena haingana

Nandritra ny fivoariam-be teo amin’ny mpiasa sy ny olona ambony teo anivon’ny kaominina Antananarivo no niakatra ny feo. Nahakasika ny fampiakarana tambi-karama mifandraika amin’ny hofan-trano izany. Tsy nahitàna marimaritra iraisana ny fivoariana ary ny tena olana aza dia niakatra hatramin’ny tosi-drà ho an’ny olona ambony iray. Torana tampoka teo izy ary nifamonjena. Nentina faran’izay haingana tany amin’ny hopitaly ary avotra soa aman-tsara ny ainy. Raha tsiahivina dia namoaka tenimita ny minisiteran’ny atitaty sy ny fitsinjaram-pahefana mahakasika ny fampiharana ho an’ny mpiasa eo anivon’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izay iantohan’ny faritra sy ny kaominina ny karamany. Izany dia nivoaka ny 29 jolay teo ary mamaritra teboka maromaro izay isan’ny lehibe ao anatin’izany ny fandraiketana ny fandoavana ny tamin-karama ao anatin’ny tetibolan’ny vondrom-bahoaka ary faritana ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny rafitra mpanapa-kevitra raha ilaina. Tsy niandry ela fa ny ampitson’ny nivoahan’ny tenimita dia efa nisy ny nanao ny fivoriana izay hatreto dia mbola misy ny mihenjan-droa ny tady. Mahazaka izany ve ny teti-bola izay misy eo anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ny kaominina samihafa ? Eo indrindra no mipetraka ny olana ary isan’ny hita ao anaty tenimita fa tsy maintsy ilàna fanapahana avy amin’ny rafitra mpanatanteraka ny fanomezana io tambin-karama mifandraika amin’ny hofan-trano io ary raha tsy misy ny enti-manana izany dia raiketina ao anatin’ny teti-bola nasiam-panitsiana izay alefa amin’ny solontenam-panjakana mahefa mba hodinihina ny maha-ara-dalàna azy. Etsy ankilany anefa ny olona efa tsy maharitra intsony, indrindra koa efa nivoaka ny an’ny mpiasam-panjakana.

D.R

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Ny olana lehibe eto amintsika, ary tsy mahagaga fa ny fahantrana sy ny drabisma dia mahatonga ny sasany hihevitra fa ny atao hoe TETI-BOLA dia tena azo tanterahina tokoa eo no eo : izany hoe raha milaza hianao fa mitetika hanatanteraka zavatra dia efa ao sahady ny vola anaovana izany. Ohatra : te-hiantsena aho rahampitso, dikany amin’ny sasany : efa ao ny vola. Vola avy aiza ? Milatsaka tsy fatam-pihavina. Tsy sahy ary tsy mahay manazava izany toe-javatra izany Indrisy ny MILA-ANAROABLE eto amintsika : ireo izay mivelona amin’ny fambotrina ny nifidy azy ireo tao anatin’ny amehana sy ny hadrabana !!!

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici