Namory vahoaka ny sefo fokontan’ny Cité manguier P/elle 32/21-22 vokatry ny fiarovan-tseza nataon’ity sefo fokontany ity, noho ny voalazan’ny fokonolona amin’ny tsy mety ataony, Rtoa Razananirina Marie Juliette. Efa ho 13 taona nitantanana ity fokontany ity ny tenany ka mihevitra ho tsy refesi-mandidy, ka mihetraketraka fa tsy azo soloina. Tao amin’ny sekoly Augagneur no natao ny fivoriana ny alahady 10 jolay tamin’ny 3ora tolakandro.
Nandritra izany dia safotra mihitsy ity renim-pianakaviana noho izy io nokitakitain’ny sefo fokontany, araka ny tenin’ireo vavolombelona. Raha ny tenin’ireo vahoaka tao amin’ity fokontany ity dia noho ny fisian’ny lahatsoratra an-gazety mpivoaka isan’andro na isan-kerinandro no anton’ny fivoriana ny alahady teo ity. Taorian’izany dia natsangana teny aloha ity renim-pianakaviana efa ananan’ity sefo fokontany ity lonilony hatramin’ny ela, noho ilay renim-pianakaviana ity isan’ny olona afaka sy manan-janaka any ivelany. Vokatr’izany, avy hatrany dia kitakita sy latsa no natao an’ity renim-pianakaviana ity, niaraka tamin’ny fametavetana tsy zakan’ny fom-behivavy mihitsy. Noho ny aretim-pon’ity renim-pianakaviana ity, noho izy misy tosi-drà, ary tsy nomena ilay seza nangatahiny mba hipetrahana, dia safotra tsy nahatsiaro tena izy. Hatramin’ny alatsinainy teo dia mbola manao krizy ilay renim-pianakaviana, ka mbola eo anivon’ny efitranon’ny mpisahana ny sampana vonjy taitra mba hanamora ny fanaraha-maso azy. Milaza ny fianakaviny fa tsy hipetra-mora amin’izao raharaha izao fa hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana sy ny ambaratongam-pahefana.
Ankoatra izay, tsy fantatra na noho ny nenina na fomba fiady ihany koa, ka milaza fa safotra ilay sefo fokontany raha vao tonga tany an-tranony. Nampidirina teny amin’ny trano fitsaboana tsy miankina izy ary tamin’ny 11ora ny alatsinainy dia efa niverina tao an-tranony. Nilaza ny fianakavian’ity sefo fokontany ity fa tsy nanampo ny zava-nitranga ny alahady teo ny tenany, ka izany no nanirahany olona hitondra ilay renim-pianakaviana iray ity teny amin’ny hopitalibe. Milaza ny hivory ireo sefo fokontany namany eto Toamasina amin’ny fiarovana ity sefo fokontany ity.
Malala Didier