- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversFivorian’ny APOI teto Toamasina : Ho fampandrosoana ny fari-dranomasina Indiana

Fivorian’ny APOI teto Toamasina : Ho fampandrosoana ny fari-dranomasina Indiana

Natao teto Toamasina tao amin’ny tranoben’ny seranan-tsambon’ny Toamasina, “PACT”, ny fivoriambe teo amin’ireo lehiben’ny seranan-tsambo misy ato amin’ny fari-dranomasina Indiana, ahitana ny la Réunion – Maurice – les Seychelles – Mayotte – ary Madagasikara. Raha ny tantara dia ny taona 2007 no natsangana voalohany ity fikambanana ity, izay teto Toamasina no nahaterahany, saingy tany la Réunion kosa no natao ny “enregistrement” an’izany herintaona taty aoriana ny taona 2008. Ny tanjona nanangana ity fikambanan’ny APOI ity dia fampandrosoana ny fandraharahana amin’ny alalan’ny fari-dranomasina sy ny fiarovana izany ihany koa. Nisy foana ny fivoriana talohan’ny taona 2020 fa noho ny valanaretina covid-19 dia tsy nisy izany ka nohararaotina tamin’izao fivoriana teto Toamasina izao ny namaha ireo olana sadraina tao anatin’ny taona maro tsy niresahana izany. Nambaran’ny filoha lefitry ny fikambanana APOI, Atoa Avellin Christian Eddy, fa noho ny ezaka nataon’izy ireo no nahazoan’ny fari-dranomasina Indiana ny sambo mpitondra mpizahatany sy ireo sambo goavana mpitondra entana izay nahatonga ny seranan-tsambon’ny Toamasina nohatsaraina sy nitarina ankehitriny. Nanamafy kosa ny filohan’ny APOI dia hatsaraina hatrany ny fifandraisana eo amin’ny samy seranan-tsambo aty amin’ny fari-dranomasina Indiana, amin’ny fizarana traikefa eo amin’ny samy seranan-tsambo. Natao teto Toamasina koa ny fivoriamben’ny komitim-pitantanana ny APOI nandaminana ny atrikasa maranaka indray.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici