- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversFivorian’ny governora sy ny ben’ny Tanàna : Nisy namaky ny fiaran’ny ben’ny...

Fivorian’ny governora sy ny ben’ny Tanàna : Nisy namaky ny fiaran’ny ben’ny tanànan’i Sambava

Vokatry ny tandrevaka tamin’ny trano fandraisam-bahiny nandritra ny atrikasa natao tao amin’ny trano fandraisam-bahiny ity, tokony tamin’ny 11ora sy 30min no nisy namaky teo anoloan’ity trano fandraisam-bahiny ity ny fiaran’ny ben’ny Tanàna avy ao Sambava. Very tamin’izany ny kitapo iray misy ireo antotan-taratasim-panjakana saropady maro, very tamin’izany koa kara-panondrompirenena Malagasy sy kara-panondrompirenena amin’ny maha-frantsay azy, very tamin’izany koa ny lela-vola 1.500.000 ariary sy ny vola vahiny 80 euros. Vokatra izany dia nifarimbonan’ny zandary sy ny polisy ary ny tonia mpampanoa lalana ny fanadihadiana ny raharaha, satria niatrika ity atrikasa nataon’ny governora sy ny ben’ny Tanàna ity izy ireo. Raha ny angom-baovao dia nampiasa ireo tuc-tuc ireo jiolahy, ka raha vao nahazo ny entana dia nirifatra tamin’izany. Nisy nahatsikaritra anefa izy ireo ka ary nenjehana saingy very ireo mpanenjika  rehefa tonga tao Bazary kely. Miandry izay ambaran’ny “camera de surveillance” an’ilay trano fandraisam-bahiny ny mpanao fanadiadiana, fa ny mpiambina an’ilay ben’ny tanàna dia nampaingin’ny laingany fa hoe tsy niala teo amin’ny fiara izy.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici