- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFarafangana : Fizarana fiofanana momba ny rafitra ara-tsakafo sy fananan-tany

Farafangana : Fizarana fiofanana momba ny rafitra ara-tsakafo sy fananan-tany

Tanteraka soamantsara ny fizarana mikasika ny rafitra ara-tsakafo sy fananan-tany nataona tanora roa mianadahy Raheriniana Sergino Odilon Razafimaneva Jeanne Marina tao amin’ny Maison de Jeune Farafangana ny 27 desambra 2025 lasa teo. Solontenan’ny faritra Atsimo Atsinanana niatrika atrikasa tany Ampefy Itasy nokarakarain’ny FAO ao anatin’ny WFF World Food Forum izy ireo. Manomboka amin’ny famokarana sakafo (fambolena, fiompiana, jono), mandalo amin’ny fanodinana sy fizarana, ary mifarana amin’ny fihinanana ny Rafitra ara-tsakafo. Io rafitra io no miantoka ny fahazoan’ny olona sakafo ampy sy ara-pahasalamana. Na izany aza, maro ireo sakana mbola iainan’ny mponina, toy ny fiovan’ny toetr’andro, ny tsy fahampian’ny fitaovana ho an’ny tantsaha, ny fahasimban’ny lalana ary ny fatiantoka aorian’ny fijinjana. Anisan’ny noresahina manokana nandritry ny fizarana ihany koa ny fananan-tany, satria mifamatotra tanteraka amin’ny famokarana sakafo izany. Ny tany no fototra iankinan’ny fambolena sy ny fiompiana.  Misalasala ny tantsaha mampiasa vola sy manatsara ny famokarany, raha tsy mazava na tsy voaaro ny fananan-tany ka mitarika fahaverezan’ny vokatra sy fahantrana. Nohamafisina tamin’ny fizarana fa ilaina ny : fanamafisana ny zo amin’ny fananan-tany, fanohanana ny tantsaha amin’ny fitaovana sy teknika, fanentanana ny mponina amin’ny sakafo voalanjalanja, ary fampihenana ny fahaverezan-tsakafo. Araka izany, tsy vitan’ny manatsara ny famokarana sy ny fahasalamana ihany, fa manampy amin’ny ady amin’ny fahantrana sy amin’ny fanorenana fampandrosoana maharitra ho an’ny rehetrany fanatsarana ny rafitra ara-tsakafo sy ny fananan-tany.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici