- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversFjkm Rangaina Fihobiana : Hanatanteraka ny fetin’ny taranaka

Fjkm Rangaina Fihobiana : Hanatanteraka ny fetin’ny taranaka

Toy ny fanaon’izy ireo isan-taona, isaky ny alahady faharoa amin’ny volana oktobra, dia hanatanteraka ny fetin’ny taranaka ny avy eo amin’ny Fjkm Rangaina Fihobiana, ny alahady 14 oktobra ho avy izao eny an-toerana. Araka ny fanazavana azo, dia hisy ny fotoam-pivavahana lehibe izay hotanterahina eny an-toerana amin’io fotoana io ; izay hiditra amin’ny sivy ora sy sasany maraina. Ary harahina fandraisana ny Fanasan’ny Tompo. Aorian’izay fotoam-pivavahana izay kosa dia fantatra fa hisy ny fiaraha-misakafo izay karakarain’ireo tompon’andraikitra amin’ireo mpianakavin’ny finoana ; izay atao eny an-toerana hatrany. Ny sakafo no hiraisana, hoy ny fanazavana azo, fa ny fitaovam-pihinanana kosa dia samy hitondra ny azy amin’io fotoana io. Miantso ny taranaka rehetra araka izany mba ho avy eny an-toerana hifanotrona amin’io fotoan-dehibe io. Asaina ihany koa ireo rehetra izay nahazo fahasoavana tao amin’ity fiangonana mba ho avy eny an-toerana. Marihana, hoy ny tompon’andraikitra hatrany, fa ny vola voangona rehetra amin’io fotoana io dia entina hanamboarana fotodrafitrasa lehibe eny an-toerana hatrany. Manantena ny fahatongavan’ny rehetra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici