- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFLM Synodam-paritany Alaotra : Mitondra fanazavana ny tompon’andraikitra

FLM Synodam-paritany Alaotra : Mitondra fanazavana ny tompon’andraikitra

Ny Filohan’ny Synodam-Paritany ALaotra (SPAL), dia sarotiny amin’ny fiarovana ny aim-panahin’ny kristiana ato amin’ny Faritra noho izy ireo vao nivoaka tsy ela tamin’ny olana lehibe (2008 – 2012), sy ny aim-panahin’ny Kristiana Loterana rehetra manerana ny Nosy izay mety hiparitahan’ny vaovao.

Izany no antony lehibe nanakanany ny mpanao gazety izay voasariky ny fitiavana te-hahalala vaovao ka niditra tsy nahazo alalana tamin’ny tompon’andraikitry ny FLM na dia tao anatin’ny fahafahan’ny toe-draharaha aza, satria teo amin’ny ora fanombohan’ny fanompoam-pivavahana izay fotoana famaranana ny Isantaonan’ny FDL Synoda no fanakatonana koa ny fivorian’ny KMSPAl indrindra no nosakanana tsy hahazo hanatanteraka izany ny tompon’andraikitra.

Efa nandraisana fanapahan-kevitra teo anivon’ izany fivoriana ara-potoanan’ny Komity Mpiandraikitra ny Synodam-Paritany ALaotra (KMSPAL) ny 13 – 14 Aprily 2016 izany ity olana ity ary ny Birao Foibe FLM dia mahalala izany tsara, ka ny fanatanterahana sy fankatoavan’ny roa tonta izany no antoky ny fihavanana sy filaminana, saingy izany no zava-nisy. Angatahina hatrany ny rehetra mba samy handray sy hanakatra ny fanapahan-kevitra mahakasika izany.Tsara homarihina fa mandra-piandry ny fivorian’ny Komitin’ny Synodam-paritany Alaotra izay hatao any Tanambe ny volana Jolay dia mijanona tanteraka ho mpanatanteraka(exécutif) ny tapaky ny KMSP ny Filoha.

Ny Pastora, tompon’andraikitry ny Fitandremana, sy ireo Komity ary ny Kristiana maro an’isa manaraka ny rafitra, dia efa resy lahatra tamin’ny fanekena izany, ary dia isaorana azy ireo, fa ireto andian’olona vitsivitsy no sisa andrasana amim-panantenana fa tsy handà izany raha ampy fanazavana tsara eo aminy ny fanapahan-kevitra,mba hiarovana hatrany ny fifankatiavana sy ny firaisan’ny Fiangonana tsy ho vaky.

Amin’izao fotoana dia efa manomboka misy ny fitoniana,ary efa misy ny hetahetam-pihaonana amin’ny Rafitra mpamaha ny olana ka antenaina fa tsy ho ela dia hiravona izany raharaha izany .Mangataka antsika mpino Loterana rehetra mba tsy hanadino ny fitondrana am-bavaka ny fiainam-piangonana.

CATHY

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici