jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversFMFOI : Feno indray ny palais

FMFOI : Feno indray ny palais

Fampianarana mahakasika ny fanankinana ny fiainana amin’ny ao ambony, fitrotroana am-bavaka ny marary sy haka fanadinana ary manana olana ara-tokantrano. Nanampy an’izany ny vavaka ho an’ny firenena. Nahomby ny hetsika nataon’ny FMFOI sy ny Pasitera Benjamina izay nahafeno indray ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena tetsy Mahamasina. Nahazo aim-panahy izay tonga ary ny moraly ambony. Izany dia niteraka fahavitrihana izay entina miatrika ny fiainana andavan’andro sy ny fandaharan’asa mandritra ny taona. Na voky olona aza ny toerana dia tsy nisy ny sampona, tao anatin’ny filaminana tanteraka no nizotra ny hetsika masina. Efa mandamina ny fandaharana momba ny hetsika manaraka sahady ny olona ary izahay eo anivon’ny fiangonana ihany koa dia efa mandamina ny amin’izany, mba hizotra mandritra ny taona ny hetsika masina izay karakarainay.

r.f

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici