- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversFoibe Fitsaràna fiarakodia : Nandray ny fitantanana ny Jly Tsirivelo Nicolas

Foibe Fitsaràna fiarakodia : Nandray ny fitantanana ny Jly Tsirivelo Nicolas

Ny Tale jeneralin’ny Foibe fitsaràna fiarakodia vaovao : ny Jly Tsirivelo Nicolas.

Tontosa omaly antoandro tetsy amin’ny Foiben-toeranan’ny fitsaràna fiarakodia tetsy Alarobia ny famindram-pahefana teo amin’ny Tale jeneraly vaovao hitondra ity sampan-draharaha iray ity, ny Jly Tsirivelo Nicolas, izay vao voatendry tamin’ny alalan’ny filankevitry ny governemanta ny herinandro teo, sy ny mpitantana teo aloha, ny Jly Randrianarimanana Mosesy. Am-pirahalahiana tanteraka ny lanonana. Tonga nanome voninahitra ny lanonana sy nisolo tena ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny mpandrindra jeneraly ireo laharan’asa stratejika, ny Jly Rabehajasoa Andrinarivo, niaraka tamin’ny Kaomandin’ny zandamariam-pirenena, ny Jly Andriajanaka Njatoarisoa, ary ireo tale vitsivitsy nifandimby teo aloha.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ity farany no nanaovana jery todika ireo asa vita nandritra ny fotoana nitantanany, ary ihany koa nitso-drano ny Tale jeneraly vaovao, hahaleo hahalasana sy hahavita be eo amin’ny adidy miandry azy. Naneho teny fisaorana sady nanome toky kosa ny Jly Tsirivelo fa hanao izay vitany sy hitondra ny fahaiza-manaony, hanome ny tsara kokoa hatrany ho an’ireo mpanjifa, hampandrosoana ity orinasa ity. Nampitandrina sahady ihany koa izy ho an’ireo zatra manao lalan-dririna sy mpihoa-pefy fa tsy handefitra velively. Isan’ny nimasoan’ny teo anivon’ny Foibe fitsaràna fiarakodia tokoa mantsy tato ho ato izay ny ady amin’ny kolikoly, izay isan’ny mahavoantondro molotra ity sampan-draharaha ity. Nambarany ihany koa fa apetraka ny vina arahin’asa (contrat programme) ho an’ireo toerana fitsaràna fiarakodia manerana ny Nosy. Hotohizana ary vao mainka hohamafisina bebe kokoa ny fidinana ifotony ataon’ny eo anivon’ny Foibe, hitsirana tampoka ireo fiara tsy manara-dalàna.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici